FANTINA sy FINTINA

Fanakiviana sy fanilihana ankolaka ireo kandidà ny fanasarotana ny dosie firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny depiote, Gascar Fenosoa. Nanteriny fa misedra olana ny ankamaroan’izy ireo. “Sarotra sy be loatra ireo antontan-taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina ka ahina hiala an-daharana ny sasany”, hoy izy.

Nanambara ny haha kandidà ben’ny Tanànan’i Toamasina azy, ny depiote Ratsiraka Roland. “Ilaina ny fandraisan’andraikitra manoloana ny fahapotehan’ny Tanàna”, hoy izy, nandritra ny hetsika “Dôla sy Taiza” tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, ny herinandro teo. Nohitsiny fa vonona ny tenany hanarina izao fahavoazana mihatra any an-toerana izao.

Tsy vonona hametraka ny fanjakana tsara tantana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Jly Ramakavelo Desiré. “Tsy hampiharina eto amintsika izany hatramin’izao ka mahatonga ny firenena mikorosy fahana”, hoy izy. Nanteriny fa manan-karena i Madagasikara, saingy variana amin’ny adilahy politika sy ny fitadiavan-tseza ny mpitondra fanjakana.

“Olona nanakiana mafy sy mahafantatra tsara ny lafy ratsiny amin’ny filoha Rajoelina ireo tafiditra anaty governemanta sy mahazo laka”, hoy ny depiote “Del kely”, omaly. Nohitsiny fa efa nivadika tamin-dRajoelina fony andron’ny HVM ireo niverina ao ireo. Voailika hivoaka ny trano kosa ireo tena mpitolona, araka ny nambarany.

Partager sur: