Depiote Randrianarisoa Bien Aimé : “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

Mitohy ny fametrahana amin’ny toerany sy ny samboadin’ireo depiote. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Bongolava.

Notanterahina ny 30 aogositra teo ny fametrahana samboady ho an’ny solombavambahoaka, Randrianarisoa Bien Aimé, voafidy ao amin’ny distrikan’ i Fenoarivobe, faritra Bon­golava. Nohamafisiny tamin’izany ny hanatanterahany ireo toky nomeny ny vahoaka any an-toerana nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. “Laharam-pahamehana ho antsika ny momba ny fandriampahalemana”, hoy izy. Eo koa anefa ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny ny distrikan’i Fenoarivobe. Ani­san’izany ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa samihafa, ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny maha sompitr’i Mada­gasikara an’iny faritra iny.

Tamberin’andraikitra amin’ ny vahoaka…
Nanteriny fa tsy maintsy imasoan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ny amin’ny hanatanterahina ireo tamberin’andraikitra eo anivon’ny kaominina miisa 10 ao anatin’ny distrikan’i Fenoa­rivobe. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboaran-dalana mba hahafahana mamoaka ireo vokatra avy any, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa nanotrona izany tany an-toerana sady nametraka ny samboady, ny filoha lefitry ny Antenimi­erampirenena ho an’ny fari­tanin’Antananarivo, An­dria­mana­noro Augustin, sy ny governoran’ny faritra Bon­golava. Teo koa ireo tomponandraikitry ny fandriampahalemana any an-toerana. Manampy izany ireo solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’i Bongolava.

Synèse R.

Partager sur: