Fikarakarana dosie firotsahan-kofidina : nohamorain’ny Ceni ny fifandraisana amin’ny kandidà

Anisan’ny ezaka tanterahin’ny Ceni amin’izao, hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny fanamorana sy ny famahana olana. Napetraka, noho izany, ny laharana maitso hifandraisana amin’ireo kandidà.

Tafiditra amin’ny fanamorana ny serasera sy ny fi­fandraisana amin’ireo kandidà ny nametrahana ny la­harana maitso, amin’ny alalan’ny 034 30 810 01 eo anivo’ny Ceni foibe. Nambaran’ny talen’ ny serasera sy ny fanabeazana ny olom-pirenena, Ratsiman­dresy Tianahanan­tsoa, fa natao tanjona izany mba afahan’ireo kandidà manontany ny vaovao sy ireo andinindininy samihafa momba ny fifidianana. “Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanamorana ny fisitrahan’ireo kandidà ny momba ny firotsahan-kofidin’izy ireo”, hoy izy. Maimaimpoana ny antso an-telefaonina amin’io laharana io, araka ny nambarany. Tsy vitan’izany koa anefa fa natao hanangonana ireo akoram-pahalalana ho amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ny fametrahana io laharana maitso io.

Hanome valinteny mahafa-po ireo kandidà
Notsiahiviny fa hanomboka rahampitso 5 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisan’ny eny anivon’ny Ovec ny antontan-taratasin’ ireo mpirotsaka hofidina ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Nentaniny ireo mpi­antsehatra rehetra amin’ny fifidianana na koa ny kandidà hiantso io laharan-telefaonina io. “Vonona izahay eto anivon’ ny Ceni hanome fahafaham-po amin’ny valinteny momba ny filatsahan-kofidina sy ny hiatrehina ny fifidianana”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa efa nametraka laharana maitso tahaka izao koa ny Ceni ny andron’ny fifidianana depiote tamin’ny taona lasa. Namahana olana sy nifampizarana vaovao tany amin’ireo fari-pifidianana ma­ne­rana ny Nosy.

Synèse R.

Partager sur: