Velö Fanaiky: hoentina an-tsehatra ny “I-Jazz Fetisibal”

Tamin’ny herintaona toa izao no efa nampahafantarina ny vokatra. Izao kosa vao hozarain’i Velö Fanaiky an-tsehatra ny “I-Jazz Fetisibal”, rakikirany fahadimy. Hotonto­saina ny zoma 6 septambra izao ny seho, etsy amin’ny Ivokolo Analakely, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Sady fihaonana amin’ireo mpankafy io no fiarahan’i Fanaiky amin’ireo namana mpiara-miangaly mozika ihany koa.
“I-Jazz Fetisibal, mozika ao anatin’ny rakikira vaovao niarahako tamin’ireo namana mpitendry, izay hiaraka amiko an-tsehatra amin’io koa. Fampahafantarana ny rakikira fa fampidirana ny tetikasa vaovao iarahanay indray io”, hoy i Fanaiky. “Voninahitra lehibe ho ahy ny anisan’ny voaantso hanotrona an’i Fanaiky amin’ io“ , hoy i Moria. “Fifaliana be izany hiaraka hitendry amin’ny andrarezina toa an’i Fanaiky izany”, hoy kosa i Manou. Hiampy an’i Antsiva sy i Francia izy roa ireo, izay samy tovovavy mpiangaly ny gitara beso, hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana io ihany koa. Ankoatra azy efa-bavy, fantatra fa hisy mpitendry hafa indray nihira tamin’i Fanaiky koa ho avy hifanotrona azy amin’io koa.
Raha hiverenana kely, somary mamerina ny fahatsiarovana ny taona 80, nampalaza ny famonjena alim-pandihizana izay nantsoina hoe “hi-jazz” na “hi-bal” ity rakikira ity. Taratr’izay ihany ny fampisehoana, hanehoan’i Fanaiky sy ireo tanora mpitendry manaraka azy ny talentany. Eo hatrany ry Tsanta , Miantsa ary i Bolo hiara-mampianoka ny mpankafy izany mozika be izany.

Zo ny Aina

Partager sur: