Fety tsy ialana loza! Nahatratra 40 ireo trangana lozam-pifamoivoizana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo. Olona iray namoy ny ainy, teny Malaza Ampitatafika…
Na efa nanao fanentanana aza ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay mba ho fety ieren-doza, tsy izany ny zava-nitranga fa misy hatrany ireo tsy mahatandrina. Raha ny antontan’isa navoakan’ny eo anivon’ny hopitaly HJRA momba ireo olona nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra tao anatin’ny roa andro fankalazana ny fetin’ny Krismasy (24 sy 25 desambra 2022). Miisa 60 (isa hatramin’ny omaly tolakandro nandalovana teny amin’ny hopitaly) ireo nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly. Ny 40 amin’ireo nandalo fizahana , lozam-pifamoivoizana avokoa. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo ao amin’ny sampana vonjy taitra , moto no betsaka tamin’ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana ireo. Olona iray namoy ny ainy teny Malaza Ampitatafika. Teo ihany koa ireo naratra vokatry ny ady, ny loza tampoka an-tokantrano ary ireo maratra amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana. Raim-pianakaviana iray naratra voatsatoka antsy teny Isotry teny an-dalana handeha hody, ny asabotsy hariva teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny sakaosy misy ordinatera. Tsy vitan’izay fa mbola notsatohan’izy ireo antsy koa ilay niharam-boina. Misy tamin’ireo naratra no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly raha afaka nody avy hatrany kosa ireo vokatry ny ratra maivana.
Nahazo vahana ny fisotroana
Tsy afa-misaraka amin’ny fety toy izao koa ny toaka ho an’ny ankabeazan’ny olona. Raha ny antontan’isa voaray teny amin’ny sampana famelomana aina, nahatratra 20 ireo olona mararin’ny toaka, nandalo tao amin’ity sampana ity. Misy ireo torana tsy nahatsiaro tena hatramin’ny omaly fotoana nandalovanay teny an-toerana. “Ekena fa miavaka amin’ny mahazatra ny fomba fiainana rehefa fety toy izao. Misy ireo misotrosotro mafampana, saingy tokony hahay handanjalanja izany ny rehetra mba hisorohana ny fahamamoana tafahoatra ka mety hiafara hatramin’ny aina”, hoy ny fanazavan’ny dokotera iray. Misy koa ireo nikasa hamono tena noho ny olana ara-pitiavana, saingy nalaky ny fahatongavany teny amin’ny hopitaly ka avotra soa aman-tsara ihany. Ho avy ny fetin’ny faran’ny taona, ka manentana ny tsirairay hatrany hahay handanjalanja sy hahatsiaro tena mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana ny tsy fahaizana misotro, raha tsy maintsy hisotro, araka ny fanazavan’ny dokotera ao amin’ny sampana vonjy taitra HJRA.
J.C