« Autoroute » : mety handalo an’Andaingo ny soritra Anjozorobe-Toamasina

Mandeha ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute », ampahany Antananarivo-Anjozorobe. Efa tsinjo ny soritra amin’ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina.

Mahatratra 30 km ny lalana vita ravona amin’ny ampahany voalohany, amin’ny arabe migodana « autoroute », mi­ainga eto Antananarivo mankany Anjozorobe mirefy 80 km. Nidina teny an-toerana ny mi­nisitry ny Asa Vaventy Rafi­dison Richard Théodore, ny herinandro lasa teo, nahita maso ny asa ataon’ny orinasa Samcrete. Voalaza fa efa hoenjehina hatao godirao ny 25 km amin’io 80 km io mia­loha ny faran’ity taona 2024 ity. Efa mandeha ny famakiana sy ny fitotoana vato sy fasika. Efa tafapetraka koa ny labo­ratoara hanaovana fanadi­hadiana ny lafiny toe-tany jeoteknika.
Nilaza ny minisitra Rafidi­son Richard, fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fanaraha-maso. Mahave­lom­bolo ny fizotry ny asa. Ho tratra ny daty sy ny fe-potoana nifanarahana hahavitany. Hi­solo ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) afaka taona vitsy izy ity. Tsy atao an-tsirambina ny zava-drehetra. anatin’izany ny fanajana ny tontolo iainana.
Nomarihin’ny minisitra ihany koa fa efa hita soritra ny ampahan’ny lalana manaraka ny Anjozorobe-Toamasina. Miainga eo Anjozorobe hatrany Andaingo, ary ny ampahany eo Andaingo mipaka any Toa­masina. Tsy maintsy mbola misy ny fanadihadiana lalina mahakasika ny fiantraikan’ny asa amin’ny tontolo iainana (EIE).
Tsy mandalo faritra arovana
Mirefy 260 km ny refin’ity « autoroute » hatao ity. Tsy mbola nisy ny fanovana izany halavany izany hatreto. Efa novaina ny soritry ny lalana amin’ny ampahany voalohany Antananarivo-Anjozorobe, satria be loatra ny tanimbary sy lohasaha nototofana ary nohajaina koa ny vakoka ara-kolontsaina, toy ny Ala sy ny Rovan’Ambohimanga.
Naneho hevitra koa ny fi­kambanana iraisam-pirenena sy eto an-toerana mpiaro ny tontolo iainana fa tsy tokony handalo ny atin’ny faritra arovana Ankeniheny-Zahamena ity arabe ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: