VAOVAO TAMBATRA

Nahazahoana alalana ny hanapahana ireo hazo lehibe manamoron’Andasibe, taorian’ny fianje­ran’ny hazo tamin’ny fiara nitondra mpizahatany, ka naharatran’ny mpandeha tao anatiny. Ny fikambanana Mitsinjo, ny Jirama ary ny kaominina Andasibe no nanao ny fangatahana tamin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro. Hatolotra ny kaomi­nina hanaovana sy hanarenana fotodrafitrasa samihafa ireo hazobe ho tapahina.

Fomba fiasa mamokatra mba hivarotra (Shep) ny paikady vaovao, tohanan’ny Fandaharanasa japoney (Jica) miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Misy ny fampiofanana omena ny tantsaha hisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny fampiharana azy. Tanjona ny hanomezana antoka azy ireo fa mahavelona sy manatsara ny fidiram-bolany ny fihariana ataony.

Miisa 80 ny karazana Antsantsa ary 44 ny Makobe eto Madagasikara. Nampahafantarina, ny 2 septambra teo, ny Drafitra nasionaly hiarovana sy hitantanana maharitra (PNCGDRR) ireo karazana hazan­drano roa ireo, tohanan’ny Wildelife Conservation Society (WCS). Tsiahivina fa noraisina ity fanapahan-kevitra ity, taorian’ny atrikasa ara-teknikam-paritra momba ny Atsantsa sy ny Makobe, natao tany Maorisy, ny volana avrily teo.

Partager sur: