Diary Nofy: hisy fandaharana handrisihana ny vakiboky

“Tanjona ny fandrisihana ny ankizy amin’ny vakiboky. Mba hanatrarana izay no anton’ity fandaharana amin’ny onjam-peo ity”, hoy ny nambaran’i Oliva Rafetison, avy ao amin’ny Diary Nofy, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. “Koko & Friends” ny lohatenin’ny fandaharana, izay handeha ao amin’ ny onjam-peo RDJ isaky ny alarobia, amin’ny 2 ora. Fana­beazana ny ankizy mihitsy ny fandaharana, amin’ny alalan’ny tantaran’ny Diary Nofy. Misy zana-pandaharana maromaro ao anatiny, toy ny “Ndao hamaky boky”. Olo-malaza maro no mam­pindrana ny feony ao anatin’izany, toa an-dry Bolo, Denise, Shyn, Jaojoby, Esther Randriamamonjy, Claudia Pichler Andriatsitohaina, Antsaly Rajoelina, sns. Tohin’ny fandaharanasa “Let’s read”, izay efa nanohana boky miisa 11 ho an’ny ankizy, izay navoaka ho fihaino ihany koa taty aoriana, ny fandaharana.

Zo ny Aina

Partager sur: