Andriamanana Nivoarivony : « Aoka izay ny tsindry fa avelao hifidy malalaka ny olom-pirenena »

Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ ny fiarahamonina sivily, Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika…

Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’izao?
Andriamanana Nivoarivony (-) : Manentana faran’izay azo atao ny olom-pirenena handray anjara, indrindra ny vehivavy… Io ny fifidianana tena manakaiky vahoaka. Ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina no miantoka voalohany ny fampandrosoana ny kaominina. Raha tsy mahay mifidy ny olom-pirenena, izy ihany no hizaka mivantana ny vokatr’izay. Be dia be ny kandidà tsy voafidy tamin’ny fifidianana depiote: ndeha hirotsaka ho ben’ny Tanàna indray? Misy aza tsy voafidy ho filohan’ny Repoblika dia hirotsaka amin’izany. Rehefa tsy voafidy eo, tsy ho filoham-pokontany no farany? Ilaina ny fahamatorana politika sy toe-tsaina… Mba hahay hanavaka ny vary sy ny tsimparifary koa ny olom-pirenena.
*Inona no tokony ho fantatry ny olom-pirenena amin’izao fifidianana izao?
– Mahazo mifidy avokoa izay ao anatin’ny lisi-pifidianana… Na tsy manana kara-pifidianana aza, mitondra karapanandro dia mahazo mifidy. Tsy tokony hanaiky horebirebena sy hampitahorina hoe tsy mifidy fa tsy manana kara-pifidianana, ohatra, nefa ao anatin’ny lisi-pifidianana. Tokony ho fantatry ny olom-pirenena koa fa lisitra no hofidina amin’ity: rehefa tsy voafidy ny kandidà ben’ny Tanàna, tsy voatery ho mpanolotsaina intsony fa ny kandidà mpanolotsaina ihany no mpanolotsaina. Mila mahay mifidy ny olom-pirenena amin’izay kandidà ben’ny Tanàna manana mpanolotsaina afa-kitondra fampandrosoana, manana tetikasa miabo ho an’ny kaominina…
* Ahoana ny amin’ny kitolotolotra amin’ny fampielezan-kevitra?
– Aza manaiky ho voavidin’izay zavatra kely indray andro, fa ny mandritra ny dimy taona fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna no mila tsinjovina. Entanina koa ny mpanao politika mba handeha amin’ny hitsiny, fa anisan’ny manimba zotram-pifidianana rehefa mividy mpifidy toy izany. Manentana ny rehetra tsy ho mora voarebireby; tsy ho mora hampitahorina hoe tsy maintsy mifidy an-dRanona, raha tsy izany dia… Aoka izay ny fanaovana tsindry amin’ny olom-pirenena, fa aleo haneho malalaka ny safidy izy.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: