HCC : Nosoloina ireo depiote voatendry minisitra

Nambaran’ny HCC, tamin’ny fanapahana N° 37- HCC/AR, ny 3 septambra, fa azo raisina sy mitombina ny fakan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fisian’ny fahabangan-toeran’ny depiote eny anivon’ny Antenimierampirenena, no­ho ny fisian’ireo depiote voatendry ho minisitra.

Eo ny depiote isany Ra­zafinjato Aurélie Marie Au­gustine voafidy tany Vo­hibato, Sahondra­rimalala Ma­rie Mi­chelle voafidy tany Fianaran­tsoa, Mara Vola­miranty Donna voafidy tany Nosy Varika. Hita ny fahabangan-toeran’ny depiote telo eny amin’ny Antenimie­ram­pire­nena. Koa nambaran’ny HCC fa voafidy ho depiote ireo kandidà mpisolo toerana amin’ny lisitra Isika rehetra miaraka amin’i Andry Ra­joelina (Irmar) i Freydier Mi­chael ao amin’ny fari-pifidianana Vohibato, Ra­zafindra­koto Victor ao Fia­narantsoa, ary i Malain­koratsy Jocelyn ao Nosy Varika.

R. Nd.

Partager sur: