Fetin’ny Noely: nampihanta ireo ankizin’ny Akamasoa ny filoha mivady

Toy ny efa fanao isan-taona. Niara-nifaly tamin’ireo ankizy tezain’ny mompera Pedro eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina Andry, sy ny vady aman-janany, omaly. Niarahaba manokana ny vahoakan’Akamasoa nahatratry ny Krismasy ny filoha tamin’ny lahateniny ary nirary soa ny vahoaka malagasy ihany koa.  Nankasitrahany ny ezaka vitan’ny mompera Pedro amin’ny fitsinjovana ny madinika sy ireo ailiky ny fiarahamonina. « Misy ireo ankizy aterin’ireo ray aman-dreniny aty amin’ny Akamasoa raha vao teraka. Tsy hitanay ny teny hisaorana anao amin’ny fikararakana ireto ankizy ireto », hoy izy. Nidera ny fahaiza-miaina sy ny fitsipi-pitondran-tena ananan’ireo ankizy taizana eo anivon’ny Akamasoa koa ny tenany. Sady voataiza amin’ny fianarana no voataiza ara-panahy ireo ankizy, araka ny nambarany.  “Mora ny manavotra ny firenena raha tahaka ny mpianatra eto amin’ny Akamasoa ny mpianatra manerana ny Nosy », hoy ihany izy. Mandray anjara amin’ny famolavolana ireny ankizy ireny ny mpampianatra sy mpanabe ka nisaoran’ny filoha manokana.

Novahana ny olan’ny tany

Nanolotra fanomezana avy amin’ny fikambanana Samaritan’s Purse ny tenany avy eo ka maherin’ny 7 000 ireo ankizy nisitraka izany. Natolotry ny filoha tamin’izany koa ny taratasy momba ny tanin’ny Akamasoa ahitana “Titre” sy ny kadasitra taorian’ny nahazoany tatitra fa misy maka tsy ara-dalàna ny faritry ny tanin’ny Akamasoa. “Efa an’ny fikambanana ara-dalàna ny tany. Manao asa fanasoavana ianareo ka mendrika hampiana», hoy izy.

Nanamafy ny mompera Pedro fa novidiana ara-dalàna ireo tany sasany ireo raha toa ka fanomezana avy amin’ny fanjakana kosa ny sasany

Tsiahivina fa nitarika ny Sorona Masina tao amin’ny kianja mitafo ny mompera Pedro Opeka.

Synèse R.

Partager sur: