Fiainana andavanandro: mitombo isa ny tsy an’asa

Olana iray lehibe eto amin’ny Nosy, maneran-tany mi­hi­tsy aza, ny fi­tomboan’ny tsy fananana asa eo amin’ny tanora, na tsy ampy fahaizana na nahavita fianarana. Azo antoka fa miakatra ny tarehimarika, raha ny fahitana ny olana amin’izao fotoana, eto an-toerana.

Tarehimarika ofisialy (2022), farany, navoakan’ny Instat (Ivon­toe­rana momba ny antontanisa), manambara fa 6,6 % ny tahan’ny tsy an’asa eto Mada­gasikara, ary mety manantombo avo roa heny izany ankehitriny , araka ny tombantombana, raha ny nambaran’ny teknisianina iray ao amin’ny Instat ihany.
Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2021-2022, nisy 6,6 % ny tahan’ny tsy fananana asa eto Mada­gasikara. “Azo antoka fa miakatra io tarehimarika io, raha ny fahitana ny olana amin’izao fotoana, ny eto an-toerana koa tsy azo ianteherana ny fanadihadiana satria tsy ma­hahenika an’i Mada­ga­si­kara…” hoy ny teknisianina iray ao amin’ny Instat. « Ny tanora 15 hatramin’ny 30 taona no maro an’isa amin’izany » , hoy ny Foibe iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) .
Betsaka amin’ireo tanora ireo no nahavita fianarana ambony, misy mpikaroka, voatery miasa any ivelany, manome tombontsoa ho an’ny firenen-kafa. Misy koa amin’ireo tsy an’asa ireo no tantsaha tsy ampy fidiram-bola nefa manana traikefa momba ny fambolena sy fiompiana any ambanivohitra. Tsy an’asa satria tsy misy ny asa atao na mandray karama tsy araka ny tokony ho izy. Tsy an’asa satria tsy misy vola sy tsy ampy fitaovana hoenti-mamokatra.
Ny faritra Amoron’i Mania sy Atsimo Atsinanana no ahitana tsy an’asa be indrindra, maherin’ny 15 %. Ny faritra Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava no tsy voakasika firy, 3 %. Eo anelanelan’ny 6 % sy 10 % kosa ho an’ny faritra Atsinanana sy Anala­manga.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Instat ihany, voakasika ny sehatrasa rehetra, tsy ahitana fitaovana, fitovitovian’ny fiofanana izay narahina, kely karama na tsy misy asa atao, ny mitady asa maro nefa mandeha misotro ronono vitsy .
Koa satria mitombo ny isan’ny mponina, mitombo ny isan’ny mpitady asa nefa ny tolotra tsy misy na tsy ampy. Tsapa fa ny sekoly ambony tantanin’ny fanjakana dia tsy araka ny vanim-potoana ankehitriny intsony; ny eny amin’ny sekoly ambony tsy miankina indray, firy ny tena manara-penitra ara-pitaovana, trano fianarana, mpampianatra, sns, nefa mahazo alalana hisokatra avy amin’ny fanjakana? Famitahana mpianatra no betsaka, tsy araka ny dokambarotra atao.
Betsaka koa ny mitovy sampam-pianarana; satria tsy vitsy ny tsy maharaka ny teknolojia ankehitriny; betsaka ny tsy nandalo fiofanana any amin’ny orinasa; tsy ampy ny indostria, tsy ampy traikefa, misy ny orinasa mikatona, tsy manam-bola hamoronana asa ny maro,… Dia mitombo ho azy ny tsy an’asa sy ireo very asa .

Maro ny mpiasa birao
Araka ny tarehimarika hatrany, ny mpiasa birao no betsaka eto Madagasikara, indrindra any amin’ny fanjakana, manaraka ny mpiasa tena ( mpanao asa tanana, asa tao volo …) any ambanivohitra sy tanàn-dehibe, mpanjono nefa tsy ampy fahalalana firy sy tsy ampy fitaovana. Ankoatra izay, mivarobarotra no betsaka, ahitana olona hatramin’ny 60 taona, indrindra amin’ny tanàn-dehibe. Feno mpivarotra ny tsena sy ny moron-dalana, singa iray manambara ny fahamaroan’ny tsy an’asa izany.
Salanisa eto Mada­ga­sikara, 196 000 Ar ny karama isam-bolana; faritra Androy no kely karama indrindra, voalaza fa eo amin’ny 96 000 Ar isam-bolana eo . Maro koa ny sehatra tsy miankina tsy manara-dalàna, tsy manome ny zo ho an’ny mpiasa, raha ny fitarainana ataon’ny sendikàn’ny mpiasa samihafa.

Karama farany ambany

Voalaza fa nihena 5 % ny karama farany ambany eto an-toerana any amin’ny sehatra tsy miankina, nanomboka ny volana mey 2023. Raha 250 000 Ar izany teo aloha, lasa 238 000 Ar isam-bolana, amin’izao fotoana. Tsy fidiny ho an’ny maro, saingy tsy maintsy manaraka raha te hiasa, misy orinasa sasany tsy mampihatra izany fa mbola latsaka ambany aza.
Noho ny tsy fananan’asa, ny tsy fahampian’ny fidiram-bola, ny fahantrana iainan’ny maro anisa, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao isan-karazany, laharana faha-177 amina firenena 191 i Madagasikara, eo amin’ny fampandrosoana, araka ny IDH ( Indice de développement humain 2024 ). 75,2 % amin’ny mponina, miaina latsaky ny 1dolara isan’andro ary 51,8 % no tena ao anatin’ny fahantrana lalina .

Toeran’ny vehivavy
Mbola ny vehivavy no voahilikilika any amin’ny toeram-piasana maro eto Madagsikara na dia efa misy aza ny ezaka manohitra izany. Saika ny vehivavy no betsaka amin’izany, manodidina ny 75 % any amin’ny orinasa afakaba. Any amin’ny fanjakana, vehivavy Fram, ohatra, no betsaka. Mandray karama kely izy ireny ary mafy asa, tsy misitraka ny zony ny maro na efa misy aza ny orinasa sasany manara-dalàna.
Mora kokoa ny manala mpiasa tsy dia mahay loatra ny lalàna mifehy ny asa, na vavy na lahy. Na misy aza, ohatra, ny fitoriana ataon’ny sendikà, mijanona ho an-tsoratra no betsaka fa tsy hita ny tena fampiharana ny lalàna.
Vitsy amin’ny vehivavy malagasy no manam-pahaizana antonony. Na izy manam-pahaizana ambony, izay mbola vitsy anisa nefa miasa ny ankamaroany. Na ireo maro, vehivavy malagasy tsy dia ampy fahaizana loatra, ka araraotin’ny mpampiasa sasany. Mila rafitra matanjaka ny vehivavy fa betsaka ny very zo eo am-piasana.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: