Maty nofirain’ny havany tamin’ny antsibe ireto mpivady avy any an-tsaha. Miady amin’ny fahafatesana kosa ny zanak’izy ireo vao 16 taona. Olona fito no voasambotra hatry ny omaly.
Vokatry ny ady tany, maty novonoin’ny zana-drahalahin-drainy ny mpivady tao Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava ny zoma lasa teo. Nifanditra tamin’ireo havany ireo noho io resaka tany io, tsy nanampo na inona na inona ireto mpivady ireto. Nanao ny asa toy ny mahazatra, araka izany, izy ireo ary nidina teny an-tsaha niaraka tamin’ny zanany. Nony niakatra hamonjy fodiana anefa, nifanojo tamin’ny fianakaviany izay tsy nifanara-tsaina taminy izy ireo. “Efa vono olona ninia natao io famonoana azy mivady io”, hoy ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny kaompania Bongolova. Maty tsy nialana nenina ireto farany noho ny ratra mafy nahazo azy.
Naratra mafy ny zanany
Tsy vitan’io, tsy namalen’ireo nahavanon-doza koa raha tsy norasaina antsy ny zanak’izy mivady lasibatra. Notrobarana teo amin’ny tendany ity zazalahy ity. Ankoatra izay, mbola nolerana antsy koa ny tanany. Nirifatra nandositra ireo nahavanon-doza taorian’ny famonoana. Hitan’ny olona sendra nandalo, noezahina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana ny ain’ity zaza voatsatok’antsy ity. Voatery nodidiana izy, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo. “Tsy misy atahorana ny ain’io tovolahy zanak’izy mivady namoy ny ainy io”, hoy ny zandary ao Kiranomena.
Fito voasambotra
Taorian’ny habibiana, voasambotra ary atao fanadihadiana ny olona fito niray tsikombakomba tamin’ity vonoan’olona mahatsiravina ity. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Mpiray tanàna avokoa ireo voasambotra ireo ary olona nifandray mivantana tamin’izy mivady maty. Ireto voasambotra ireo izay nilaza azy mivady ho mpamosavy ka anton’izao famonoana izao. Tsy hita popoka ireo tena atidoha nikotrika ary an-dalam-pikarohana azy ireo ny zandary amin’izao fotoana.
Tsiferana Randriatiana