Tetikasa Jumelage : Fanatsarana ny vokatra fanondrana

Nisy atrikasa nifampizarana ny fivoaran’ny asa vitan’ny tetikasa «Jumelage Frantsay-Italiana-Malagasy», ny 12 septambra teo, nandritra ny Foaran’ny famokarana (FIA), andiany fahenina teny amin’ny Parc expos Forello Tanjom­bato. Miahy azy ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Von­drona eoropeanina (UE) vola. Misy sokajin’asa 5 lehibe anatiny, hanatrarana ny tanjona, ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mba tsy hisian’ny sakana any amin’ny firenena hanondranana azy. Eo koa ny fifanakalozana mahakasika ny fitantanan-draharaha eo amin’ireo firenena telo ireo, tafiditra ao anatin’ny UE, sady efa manana traikefa amin’ny fenitra ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana (SPS).
Manan-danja tokoa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara. Hampiakatra ny kalitaon’ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto ity tetikasa iarahan’ ny telo tonta ity. Hampiakatra ny fidiram-bolan’ny mpamokatra amin’ireo sehatra ireo. Tanjon’ny Minae ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fidirana amin’ny fanondranana vokatra ara-tsakafo sy ara-pambolena toy ny lavanila sy ny jirofo, izay efa fanaon’i Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: