Miantsehatra eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy manohy ny fikarohana avokoa ireo injeniera nivoaka avy eny amin’ny Sekoly ambony momba ny Hay famokarana sy ny zavaboahary (ESSA), eny anivon’ ny Oniversiten’Antananarivo. Manome lanja ny fampianarana ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanjarian-tsakafo ny ESSA, amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana
sy fanodinam-bokatra isan-karazany ataony. Noho izany, « miara-dalana ny famokarana sy ny fandraharahana, antony hivoizana ny kolontsaina mandraharaha eny an-tsekoly », hoy ny Pr Randrianariveloseheno Arsène Jules, omaly. Naneho izany ireo tranoheva manodidina ny 70 mandray anjara amin’ny “Salon de l’Agronomie”, nanomboka omaly ka hatramin’ny zoma 20 septambra izao, eny Ankatso. Mandray anjara amin’izany avokoa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sekoly. « Fotoana iray hanomezan-danja ny tontolo ambanivohitra sy hanampiana ny tanora vao nahavita fianarana ny hetsika toy izao », hoy ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika miadidy ny Fahavitantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Mifanome tanana, noho izany, ny sehatry ny fampianarana sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny rantsamangaika hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ity farany izay hahafahana miroso amin’ ny fampandrosoana, araka ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani