VAOVAO TAMBATRA

Misongadina i Madagasikara mandritra ny hetsika “International French Travel Market (IFTM)”, atao any Paris, ny 17-19 septambra. Nampahafantarina ireo tolotra momba ny fizahantany swy hanatanterahina fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra eto an-toerana sy any ivelany ho an’ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny Nosy malagasy.

Mandeha ny fandrakofana godirao ny lalam-pirenena 12A, ampahany faharoa, mirefy 35 km. Maha­tratra 63,32% ny fahavitan’ny asa, ka efa vita ny tete­zana lehibe natao « béton » mirefy 110 m eny Amboe­nato (PK 172+200). Manatanteraka ny asa ny orinasa WIETC SDLQ, izay vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny marsa 2025.

Hojerena ny fomba hanatsarana ny asa sy ny tontolo an-dranomasina amin’ny alalan’ny fahazoana antontam-baovao rehetra hitantanana maharitra ny harena an-dranomasina eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny tombam-bokatra sy fanatsarana ny asa efa vita niarahan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny masoivohon’ny Repoblika Federalin’i Alemaina.

Hampiroboroboana ny fampiasana fitaovana mekanika, na fitaovana misy motera, ny famokarana. Tonga eto Madagasikara ny delegasiona mpandraha­raha avy any Zimbabwe, hitady fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy. Tanteraka izany taorian’ny fitsidi­hana nataon’ny filoha Rajoelina tany Zimbabwe, fotoana vitsy lasa izay.

Partager sur: