Sosona iray ao anatin’ny Stratosfera ny sosona ozôna. Mitana anjara asa lehibe amin’ny fiarovana ny zavamananaina rehetra ety ambonin’ ny tany izy io satria manivana sy manohana ireo tara-masoandro manimba, antsoina hoe Ultra-Violet B (UVB), tsy hipaka mivantana amin’ny tontolo miaina ety ambonin’ny tany. Anisan’ny mitarika ny fahapotehany ny singa ratsy ateraky ny vata fampangatsiahana.
Nitranga ny fahapotehan’ ny sosona ozôna maneran-tany taorian’ny taona 1970, araka ny fandinihana nataon’ireo mpahay siansa, tamin’ny taona 1950 hatramin’ ny 1970. Nihena, araka izany, ny haavon’io sosona io, nanomboka ny taona 1979. Nahatratra 28,3 tapitrisa km2 ny lavaka teo amin’ ny ozôna ao amin’ny stratosphère, teo akaikin’ny tendrontany Atsimo. Nihena 7% ny hateviny tany amin’ny faritra atsimon’i Kanada, nanomboka ny taona 1980. Tamin’ny faramparan’ny taona 1990, teo anelanelan’ny 3 sy 7% ny fihenan’io sosona io tany an-toerana. Mahatonga fiakaran’ny hafanana miompam-pana eto ambonin’ny tany ny fahasimban’ny sosona ozôna. Mitarika amin’ny fitomboan’ny UV-B tonga ety ambonin’ny tany ihany koa ny fihenany any amin’ny stratosfera. Mety ha-nelingelina ny fizotran’ny biolojia sy hanimba fitaovana isan-karazany io karazana taratra io. Maro ny antony mahatonga ny fahasimbany. Anisan’izany ireo entona ratsy avoakan’ny vata fampangatsiahana ampiasain’ny olona andavanandro, noho ny fivoaran’ny teknolojia misy maneran-tany. Eo koa ny fisian’ireo karazana entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) vokarin’ izao tontolo izao.
Karazana vata
fampangatsiahana
Raha ho an’ny vata fampangatsiahana manokana, maro karazany izy ireo izay mamoaka entona manimba ny sosona ozôna eto amin’izao tontolo izao. Anisan’izany, ny vata fampangatsiahana antsoina hoe Fluides frigorigènes, izay ampiasaina any amin’ny orinasa sy ny indostria maro. Anisan’ny ahitana singa toy ny entona ratsy (CO2) sy poizina. Eo koa ny Réfrigérant fréon (R12, R22…), izay vata fampangatsiahana fampiasan’ny olona any an-tokantrano. Efa mihena ny fampiasana azy io noho izy io mandoto tontolo iainana, toy ny vata fampangatsiahana mifototra amin’ny hydrocarbures (méthane, éthane, éthylène, propylène, sns.), matetika ampiasaina any amin’ny orinasa mpanodina solika sy akora simika. Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny vata fampangatsiahana R22 amin’izao fotoana izao. Voafaritra ao anatin’ny fitaovana iray tsy manaja ny tontolo iainana izy io ary manimba ny sosona ozôna, araka ny fepetra fanitsiana farany amin’ny “Protocole”. Fampiasan’ny olona any an-tokantrano sy an-dranomasina ihany koa izy io. Hofoanana tanteraka izy io amin’ny taona 2030, ho soloina ny vata fampangatsiahana R410a.
Efa misy kosa ireo vata fampangatsiahana manaja ny tontolo iainana sy tsy manimba ny sosona ozôna, toy ny R600a sy ny R410a ary ny R-134a , izay fitaovana iray vaovao tsy ahitana fluor sy entona ratsy ary poizina ao anatiny.
Mahatonga aretina sy voka-dratsy maro ny tara-masoandro UVB
Mahatonga voka-dratsy sy aretina maro eo amin’ny tontolo iainana sy ny momba azy iray manontolo io tara-masoandro UVB io. Anisan’izany, ny homamiadan’ny hoditra sy ny fihenanan’ny hery fiarovan’ ny olombelona, mahatonga fahajambana, katarakta sy ny maro hafa. Ankoatra izay, singa iray manimba ny tontolo iainana sy mamotika ireo zavamananaina bitika an-dranomasina ihany koa izy io. Manakorontana ny fitomboan’ ny zavamaniry sy mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny fiakaran’ny maripana goavana ihany koa.
Hofoanan’i Madagasikara
Ho fanamafisana sy fanantanterahana ny fandaharanasan’ny firenena momba ny fiarovana ny sosona ozôna, nanaiky ny hanafoana ireo fampiasana akora mpanimba ireo i Madagasikara, izay hotratrarina amin’ny taona 2030. Ho an’i Madagasikara manokana, 67,5% ny vina fanenana famokarana entona manimba ny sosona ozôna hatramin’ny taona 2025, hiakatra 100% izany amin’ny taona 2030, izay tetiandrom-panafoanana miandalana.
Ezaka ataon’izy ireo hanatrarana io tanjona io ny fampihenana ny fampiasana ireo karazana vata fampangatsiahana manimba ny sosona ozôna ireo eto amin’ny Nosy sy maneran-tany. Misy, araka izany, ny fanentanana sy fampahafantarana eny ifotony ataon’ireo polisin’ny tontolo iainana (OPJ). Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fampahafantarana ireo fitaovana na singa azo hanoloana ireo karazana vata fampangatsiahana manimba ireo.
Anisan’ny manamafy ny fiarovana ny sosona ozôna ny fifanarahan’i Montréal izay mikendry ny hampihenana sy hanafoanana hatramin’ny farany ireo akora simika manimba ny sosona Ozôna. Ity fifanarahana iraisam-pirenena ity dia nanakana ny iray amin’ireo loza lehibe mananontanona izay atrehin’ny olombelona amin’ny ankapobeny manoloana ny fahasimban’ny sosona ozôna.
Nanatontosa : Mino