VIDIM-PANAFODY : miaka-bidy noho ny fitotongan’ ny sandam-bola

Anisan’ny vontoatiny lehibe hikarakarana ny fahasalam-bahoaka ny fa­nafody. Manana fahatarana amin’ ny lafiny maro izany na eo anivon’ny hopitaly na eo anivon’ny fanafarana fanafody.

Lafo sy niakatra ny vidin’ny fanafody eto amin’ny Nosy, amin’izao fotoana. Maro ny antony mahatonga izany ary miankina amin’ny lafin-javatra maro samihafa, raha ny fanazavana voaray. Voalohany, ny fihenanana sy fiovaovan’ny sandam-bola malagasy. “Misy lanjany betsaka amin’ny vidim-panafody hafarana avy any ivelany, tonga eto Madagasikara, ny sandam-bola malagasy na misy elanelana folo ariary fotsiny aza”, hoy
Randrianantenaina Mi­chel, filoha tale jeneralin’ny Cofarma, nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Nanisana, omaly. “Anisan’ny mahasamihafa ny vidim-panafody eto an-toerana sy any amin’ny firenena hafa ny sandam-bola”, hoy hatrany izy. Ho an’i Madagasikara, miankina amin’ny vidin’ny “devise” amin’ny fanondranana entana ny tsy mampa-marin-toerana ny sandam-bola. Faharoa, miankina amin’ny fisiana na tsia ireo akora fototra fanamboarana fanafody any ivelany ihany koa izany. Mitana ny 80 % ireo akora fototra famokarana fanafody ny firenena sinoa sy indianina. Fahatelo, ny fiakaran’ny vidin’ny fanafody vokarina. Nandalo fahasahiranana avokoa ny mpanamboatra fanafody tamin’ny fotoana nandalovan’ny valanaretina covid-19, toy ny tany Frantsa. Nisy fanapahan-kevitra mihitsy tamin’izany, fa natokana ho an’ny firenena frantsay irery ihany ny fanafody novokarina fa tsy mahazo haondrana any amin’ny firenena hafa, raha ny fanazavana voaray. Samihafa ihany koa ny toerana hividianan’ny mpivarotra fanafody na farmasia ka antony hafa tsy mampitovy ny vidin’ny fanafody eto an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany.

100 andro eo vao tonga eto an-toerana ny fanafody hafarana
Manodidina ny 10 000 km miala an’i Madagasikara ny fanafarana fanafody. Taloha, tamin’ny fiantombohan’ny ady tao amin’ny ranomasina me­na, manodidina ny 35 andro ny fahatongavan’ny fanafody any Tamatavy miala avy any. Amin’izao fotoana izao, efa mihoatra ny 100 andro eo vao tonga eto amin’ny Nosy, satria tsy afaka manitsy intsony ny sambo. Ankoatra izay, mbola maro ireo fanafody tsy azo hahondrana any amin’ny firenena hafa, fa voatokana ho an’ny firenena frantsay. Misy karazam-panafody tsy azon’ ireo mpivarotra fanafody hamidy. Anjaran’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ny manara-maso izany.

Tsy maintsy miasa miaraka amin’ny Holafitra ny minisitera
Tsy maintsy misoratra sy miditra ao amin’ny Holafitry ny farmasianina avokoa ireo rehetra misehatra amin’io asa io eto Madagasikara. Mano­didina ny 440 ireo farmasiana miasa eto amin’ny Nosy, raha ny tatitra voaray. “Tsy afaka miasa mihitsy ireo mpianatra nahavita fianarana mahakasika ny farmasia raha tsy efa misoratra ao anatin’ny Hola­fitra sy ny fahazahoan-dalana (agréement) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka”, hoy Randrianaivo Orthence, filohan’ny Fikam­banan’ny farmasiana eto Madagasikara. “Izahay dia matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy eo amin’ny sehatry ny fanafody”, hoy hatrany izy.
Nanomboka nijoro teto Madagasikara ny lalam-piofanana, tamin’ny taona 2005. Nivoaka tamin’ny taona 2011 ireo andiam-pianatra voalohany, nahavita fianarana.

Hotanterahina any Antsirabe

Hatao any amin’ny kianjan’ny fahaleovantena Antsirabe, ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasiana (JMPH), ny 25 septambra izao. Lohahevitra amin’izany ny hoe: «Farmasiana, miatrika ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany ». Mandray anjara amin’io hetsika io ny faramasiana sy ireo mpianatra. Ahitana hetsika maro any an-toerana, toy ny fampirantiana, sy karazam-panentanana amin’ny endriny maro. Homen-danja, mandritra izany, ny asan’ny farmasiana amin’ny sehatra rehetra. “Anisan’ny homena sehatra amin’io hetsika io ny maha zava-doza ny fanaovana dokotera tena sy ny tsenam-panafody tsy manara-dalàna”, hoy hatrany Randrianantenaina Michel, tale jeneralin’ny Cofarma. Ho hita any an-toerana koa ny mahakasika ny didy folon’ny fampiasana fanafody sy ny maha zava-dehibe ny taratasim-panafody (ordonnance médicale). Misy ihany koa ny fizahana fahasalamana sy fitiliana ireo karazan’aretina rehetra, toy ny diabeta, ny tazomoka ary ny fiakarana tosidra. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana ny hetsika. Anisan’ny ho hita any an-toerana ny fanoroana lalana ireo ankizy maniry hanaraka ny lalam-piofanana farmasiana.
Hitohy ny 26 sy 27 septambra, any amin’ny Arotel Antsirabe, ny hetsika avy eo. Lohahevitra maro no hodinihina mandritra ireo roa andro ireo, toy ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra sy ara-tsosialy, ny anjara toeran’ny zavamaniry fanao fanafody eo amin’ny fiainana andavanandro ary ny fianarana momba ny farmasiana any ivelany.
Hisy koa ny fifanakalozan-kevitra hanatsarana ny sehatry ny asa sy ny fanafody mandritra izany. Entina eo anatrehan’ny tomponandraiki-panjakana sy ny minisitera mpiahy ireo hevitra tapaka mandritra izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: