Fitaterana ana habakabaka: hiara-hiasa ny Air France sy ny Madagascar Airlines

Hitambatra anaty tapakila iray ny sidina avy any Paris-Charles de Gaulle mihazo an’Antananarivo,
ataon’ny kaompania Air France sy ny sidina avy eto an-toerana mampitohy any amin’ireo faritra ataon’ny kaompania Madagascar Airlines.

Manomboka ny 1 oktobra izao, hitambatra anaty tapakila iray ny sandan’ny zotram-piaramanidina mampifandray an’i Paris-Charles de Gaulle sy Antana­na­rivo, amin’ny alalan’ny kaom­pania Air France sy ny sidina anatiny avy eto Anta­na­narivo mankany amin’ireo faritra, toa an’i Nosy Be, Tao­la­gnaro, Mahajanga ary Toa­ma­sina ataon’ny Madagascar Airlines. Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ireo kompania roa tonta hanatsarana ny sidina eo amin’i Frantsa sy Ma­da­ga­sikara. Voalaza ao anatin’ny fifanarahana fa tsy mila raiketina an-tsoratra intsony ny entan’ ny mpandeha mandalo eto Antananarivo mbola ho any an-toeran-kafa. Ankoatra izay, mikaon-doha hametraka ny tolotran’i Madagascar Airlines ao amin’ny Air France eo amin’ ny sidina mampifandray an’ An­tananarivo sy Paris-Charles de Gaulle ny Mada­gas­car Airlines. Fifanaraham-piaraha-miasa hahafahan’ireo mpandeha ny kaompanina hisitraka tolotra tsara sy samihafa avy amin’ny kaompania Air France.

Drafitra
«Dingana lehibe iray ao anatin’ny drafi-panarenana” Phénix 2030” izao fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Air France izao. Hetsika izay efa natomboky ny orinasa hatramin’ny niandohan’ny taona 2024 », hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul. Notohizany fa tsy mbola nisy tolotra ho an’ny sidina anatiny toy izao iarahana amina kaompania mpanao sidina iraisam-pirenena izao. Hampiroborobo ny fizahantany eto an-toerana, noho izany, ny tolotra ka hanampy amin’ny fahatrarana ny tanjona 1 tapitrisa mpizahatany ho an’ny taona 2028, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana. Marihina fa vita sonia nandritra ny hetsika International French Travel Market (IFTM), tany Paris, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania roa tonta. «Manome tolotra vaovao ho an’ireo mpandeha sy handrindra ny fandaharam-potoana ny sidina tsirairay avy izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Hanamafy orina ihany koa ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ka handray anjara amin’ ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-kolontsaina sy toekaren’ny firenena tsirairay avy», hoy ny tale jeneralin’ny Air France, Anne Rigail.

Henintsoa Hani

Partager sur: