Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara i Japon sy Turquie amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, teny Ambohidahy, ny talata teo, ny masoivohon’i Japon, miasa eto Madagasikara sy Comores, Abe Koji. Fotoana iray nanamafisan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa. Handresy lahatra ireo orinasa japonais efa miasa aty Afrika ho tonga eto Madagasikara ny masoivohon’i Japon. Nilaza izy fa mahasarika ny japonais mpandraharaha eto Madagasikara ny cacao ao Ambanja.
Ankoatra izay, voadinika nandritra ny fihaonan’ny minisitra sy ny masoivoho Turquie miasa eto Madagasikara ihany koa ireo fomba hampahomby ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha avy any Turquie. «Misokatra amin’ny fiaraha-miasa any ivelany i Madagasikara ho fampandrosoana ara-toekarena», hoy ny minisitra. Soso-kevitra napetraky ny diplomaty Turque, Ishak Ebrar Çubukçu, ny hametrahana vaomiera ara-toekarena iraisana hijery ny fiaraha-miasa sy ny ho endriky ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Zava-dehibe, hoy izy, ny fifanarahana ho amin’ny fifanakalozana malalaka. Marihina fa mampiavaka a’i Turquie ny sehatry ny varotra sy ny fananganana fotodrafitrasa.
Henintsoa H.