Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hojerena ny kaominina sy ny tanàn-dehibe”

Tsy misy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana. Nam­baran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany fa anisan’ny andraikitra iantsorohany ny fiahiana ny eny ifotony. “Samy hisitraka ny tetikasa avy amin’ny fanjakana sy ireo mpamatsy vola avokoa na ny kaominina madinika na ireo kaominina an-tanànan-dehibe”, hoy izy, teny Andafiavaratra, Ambavahadimitafo, […]

Ady anaty… miseho ivelany

  Misy ady anaty ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao: iza no ho kandidà aiza? Amin’ny fifidianana depiote io. Misy ny efa mitonon-tena eny amin’ny vahoaka amin’izany fa vonona, ny mandoka tena amin’ny fitanisana zava-bita sy izay mbola hatao, ny matoky tena ka miandry amim-pitoniana izay ho fanapahan-kevitry […]

“Forum Diplomatique 2024 – Antalya”: nanamafy ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy i Torkia

Nifarana, omaly ny fivoriana iraisam-pirenena “Forum Diplomatique 2024 – Antalya”, natao tany Torkia. Anisan’ny niatrika izany ny filoha Rajoelina ary nihaona tamin’ny filoha Tiorka, i Recep Erdogan. Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madaga­sikara sy i Tiorkia. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa ho […]

Antanimena: Jiolahy tratra nanendaka tao anaty taxi-be

Noraisim-potsiny! No­sam­borin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Antanimena, ny sabotsy atoandro, ny jiolahy iray. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray tao anaty taxi-be ity farany tamin’io fotoana io ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka avy hatrany anefa ity olon-dratsy ity rehefa na­ha­zo ny vola […]

RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao

Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antan­drokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipo­tsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]