Tontosa ny atrikasa mahakasika ny tari-dalana momba ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha. Natao izany ho fanampiana ireo mpianatra tsy mbola mahalala ny lalam-piofanana tokony haleha aorian’ny bakalorea na eo am-pitadiavana tanjona amin’ny fiainana ary ho an’ireo nahavita fianarana. Nisitraka fanentanana […]
Auteur/autrice : Adnews
fikambanana Fitia sy ny UNFPA : miara-miasa amin’ny ady amin’ny herisetra
Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ ny fikambanana Fitia ary tompondaka amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), Rajoelina Mialy, ny solontenan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), Josiane Yaguibou, tamin’ity herinandro ity. Nidinika ny fiaraha-miasa ho an’ny taona vaovao sy ny hetsika […]
Herisetra amin’ny vehivavy: Ampirisihina hitoroka ny vavolombelona
Entanina ireo olona mahita trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina mba ho sahy hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra ahafahana mandray ny fepetra. Nisongadina izany nandritra ny fanazavana nentin’ ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Razananaivo Rindra, omaly, tetsy Ankorondrano. Voafaritry ny lalàna ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny […]
Fikorontanan-tsaina : mahafehy ny fandraisana an-tanana eny ifotony ny CSB
Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny taona 2019, nahatratra 1 miliara ny olona tratran’ny fikorontan-tsaina ary ny 14% amin’ireo adolantsento avokoa. Antony mitarika amin’ny fahafatesana iray amin’ny tranga 100 maneran-tany ny famonoan-tena izay miseho mialoha ny faha -50 taonan’ilay olona. Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny “Artistes au natur’elles”. Fampirantiana manasongadina ny faniriana sy ny filana hampiroborobo ny tantara, ny tontolo ary ny nofinofin’ireo vehivavy mitondra avo ny lokon’ny zavakanto eto Madagasikara. Atrikasa mahakasika ny “Hachures”, izay anisan’ny fototry ny fanaovana sary, no […]