Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

“Tsy miady an-trano ny Upar na ny TGV”, hoy ny mpikamban’ny Upar Fianarantsoa, Rakotoniaina Pety. Namaly ny fielezan’ny vaovao tsy marina ny amin’ny fifamaliana an-tsehatra tamin’ny hetsika tany an-toerana, ho fisaorana ny vahoaka noho ny nahavoafidy ny filoha Rajoelina Andry ny tenany. Nanapa-kevitra hiara-dalana amin’ny vovonana Firaisankina amin’ny fifidianana depiote […]

Zakahely Boniface: “Inoana hahazo ny maro anisa ny Firaisankina”

“Mino aho fa ny Firaisan­kina no hahazo ny maro anisa”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface, amin’ny fiatrehana fifidianana solombavambahoaka ho avy izao. Misy ny filoha teo aloha, ohatra, ny Firaisankina, Ravalo­manana sy Rajaonarimam­pianina. Eo koa ny parlemantera teo aloha. Raha ny faritra avaratra, ohatra, voafehin’ny […]

Tsy hita be ihany

  Maro ny fanendrena tao anatin’ny filankevitry ny minisitra nivoaka afakomaly. Saika ireo olona any aminy no nahazo vahana. Raha ny tsikaritra dia ny minisitera manana antoko ivelan’ny volomboasary no mihazakazaka mametraka ny olony. Tsy mihambahamba ny antoko Freedom, ohatra, nametraka ny tale isam-paritra amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana […]

Fiadidiana ny Repoblika: maherin’ny 700 ireo CV ho sekreteram-panjakana

Nifarana omaly ny fanaterana ny antontan-taratasy (CV) ho an’ireo maniry ho eo amin’ny sekreteram-panjakana (SE) anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anjaran’ny filoham-pirenena avy eo ny mifantina ireo ho amin’izany toerana izany. Nivoaka tao amin’ny tambajotra kaonty “Linke­din” eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa miisa 765 ireo CV voaray hatramin’ ny fotoana […]

TSELATRA

Sivy mianaka traboina vokatry ny haintrano nahatsiravina tao amin’ny fokontany Andakabe, Morondava, omaly tamin’ny 12 ora sy 45 mn atoandro. Nirefotra tampoka ny vatoharatra tao anatin’ny trano ka niteraka ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Kila avokoa ny entana rehetra niampy ny firavaka sy ny vola. Lehilahy iray mpangalatra posy niharan’ny […]