Auteur/autrice : Adnews

« Afrobasket 2025 »: nanomboka omaly ny fampivondronana ny Ankoay

Hotanterahina eto Mada­gasikara, manomboka ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Raha ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), efa natomboka, omaly, ny fampivondronana ireo mpilalao miisa 14 mirahalahy mandrafitra ny elipa-pirenena malagasy. Raha ny fantatra, hivoaka tsy ho ela […]

Grand Tournoi d’Antananarivo : Tafakatra hilalao famaranana ny US Pro sy ny Disciples FC

Fantatra omaly, ireo ekipa roa hilalao ny famaranan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”. Nandrombaka ny fandresena ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus by pass, ny lalao manasa-dalana ho an’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny famaranana, ny ekipan’ny […]

TARATRY ny KANTO

“Live Stream” miaraka amin’i Andri Toubi Ben. Antsan-kira fiderana ampitain-davitra no hatolotr’ity mpanakanto ity, ny zoma 12 janoary, manomboka amin’ny 8 ora alina. Azo arahina mivantana amin’ny pejy Facebook sy ny canal Youtube-n’ny Radio Oasis izany. Natao mba hahafahan’ny rehetra maneran-tany manaraka ny seho . Nizara ny fahitany sy ny […]

Théo Rakotovao: “Vola”, rakikira hamaritra ny taona 2024

Vaovao nanahaka ny taona. Vao nigadona ny 2024, nampahalala ny vokatra vaovaony i Théo Rakotovao. “Vola”, rakikirany fahatelo, navoakan’ity mpanakanto ity . Azo jifaina avy hatrany amin’ny alalan’ny “streaming”, amin’ireo fanjifana mozika maneran-tany, toy ny “Spo­tify”, “apple Music”, “You­Tube”, sns, ity rakikira tsinjarain’ny Distrokid ity. Mirakitra hira vaovao 12 ny […]