Niarahaba ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,amin’izao taona vaovao izao, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Hentitra ny toromarika avy amin’ny minisitra tamin’izany. Nambarany fa ny adidy sy andraikitra mitohy hatrany na niova aza ny taona. “Hohamafisina ireo ezaka rehetra efa natao. Maro ny asa mbola miandry”, hoy izy. Anisan’izany […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho […]
Hani-masaka : niakatra 500 Ar hatramin’ny 2 000 Ar
Niakatra ny vidin’ny sakafo iray lovia eny amin’ny toeram-pisakafoana eto Antananarivo, nanomboka ny 2 janoary lasa teo. Tsy maintsy nanondrotra ny vidin-tsakafo izahay satria nitombo avokoa ny vidin’ny hena sy ny vary ary ny legioma sy anana, hoy ireo mpivarotra. Misy ny nampihena ny fatran’ny sakafo atolotra ny mpanjifa fa […]
Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka
Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra […]
Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina
Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Manakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]