Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy […]

Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »

Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Ba­ra ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mam­piseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. To­hin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity […]

Kalon’ny fahiny : mitondra fahendrena ho an’ny mpihaino ny tononkira

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza. Anisan’ny nodinihina, nandritra izany, ny mahakasika ny « fanahy ao amin’ny kalo fahiny sy ny hiran’ny omaly ». Lohahevitra nentin-dRa­nai­voson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Ime­rina. Hamaritana ny kalon’ny fahiny ireo hira natao tao anaty teatra. Misy hifandraisany amin’ny tantara […]

Andriamanantsoa Santatra: « Afaka miaraka ny haikanto sy ny fianarana »

Andriamanantsoa Santa­tra, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny Slam malagasy amin’ny anarana hoe Santa. Ny taona 2014, nanomboka niditra teo amin’ny fanaovana “Slam poèsie” ny tenany, tany Antsirabe. Ny manodidina azy no nandresy lahatra sy nanosika azy hiroso amin’ny matihanina kokoa. Tafakatra teo amin’ny vovonan’ny Slam malagasy izy, ny […]