Auteur/autrice : Adnews

Fiatrehana ny taom-baovao : nanampy ireo marefo ny antoko Hiaraka isika

Tsy nanadino ireo tokantrano marefo ny  antoko Hiara­ka isika amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Naneho ny fifampitsinjovana ho mariky ny fihavanana sy amin’ny maha antoko maneho firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-belona azy ny mpiara-dia amin’ny Jly Camille Vital. Nisitra­ka asa sosialy avy amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpandrindram-paritry ny Hiaraka isika, […]

Ravalomanana Marc: « Hotohizana ny tolona »

“Hanohizana ny tolom-panafahana ny taona 2024. Mila sahy sy mijoro isika rehetra mba hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena. Tsy hanaiky ny fametrahana ny jadona sy ny fitondrana tsy rafesi-mandidy isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, teny Faravohitra, omaly. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ny tenany. Niantso […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana avy hatrany ny « Centre de coordination opérationnel » miasa andro sy alina, mandrindra ny fitantanana sy fanaraha-maso ny tranga amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Efa an-dalana mihazo an’i Morombe ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka, mitondra ny fitaovana samihafa toy ny moto pompe, sns. Olona 100 no […]

Andro ratsy : nihotsaka ny lalana Mahazengy Fianarantsoa

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro teto amin’ny Nosy, nihotsaka omaly hariva, ny ampahan-dalana any amin’ ny lalam-pirenena RN7, ao amin’ny fokontany Mahazengy Fianarantsoa, eo amin’ny PK 416+300. Nanodidina ny tamin’ ny 2 ora tolakandro no nirodana izany. Misesy ny oram-be entin’ny rivodoza any an-toerana. Niteraka tondradrano sy fiakaran’ny rano tao […]