Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hanangana ozinina hanodina zezika i Mada­gasikara hanampiana ny tantsaha ary indrindra hanatsarana ny fambolena, ny voka-bary eto amintsika. Tanjona ny hampakarana ny vokatra mba hanenana ny fanafarana sy hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy. Hafainganina ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny fampi­asana ny herinaratra azo avy […]

Fizahantany eto Madagasikara : nahatratra 222 848 ny mpitsidika tamin’ny 2023

Manomboka miarina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Naha­tratra 222 848 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ny taona 2023, araka ny tatitra navo­akan’ny minisiteran’ny Fiza­han­tany. Vokatra azo ta­min’ny alalan’ny ezaka nataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fandraisana ny vahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ny sidina iraisam-pirenena sy ny sidina anatiny izay antoka […]

Mahajanga : nodorana ireo vary simba 50 kaontenera

Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga, ny herinandro teo. “Tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana faran’izay haingana ireo manampahefana rehetra nanao sonia ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana momba ireo vary simba ireo, miaraka amin’izay olona rehetra nandray anjara nanelanelana tamin’io raharaha io”, […]

INDRAY MIJERY

Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana voalohany ny vonjy taitra eny anivon’ny tobim-pahasalamana, eny amin’ny hopitaly sy ny CSB rehetra manerana ny Nosy. Miaraka amin’ny fonds de premiers soins d’urgence izany nandritra ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ ny taona sy ny fandraisana ny taom-baovao. Faha­salamana manakaiky vahoaka no tanjona sady manampy manala […]

Kaominina Ampitatafika : fianakaviana sahirana 200 nisitraka tolotra

Mponina 200 notsongaina avy amin’ny fokontany 13, eo anivon’ny kaominina Ampita­tafika no nisitraka fanampiana tamin’ny faran’ny herinandro. Nahitana vary, menaka, bis­cuit, vatomamy ho an’ny ankizy izany. Nisy ny fiaraha-mi­asa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa mpivarotra fanitso iray eny an-toerana nahafahana nanao ny hetsika. “Tokony hanana zo ho faly sy […]