Auteur/autrice : Adnews

Kardinaly Tsarahazana Desiré : “Aoka tena hiova ka hanao ny marina isika”

Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly Tsarahazana Desiré, amin’izao fiandohan’ ny taona izao. Nambarany fa tokony harahana fibebahana ny firariantsoa ny taona vaovao. “Aoka tena hiova marina ka hiady amin’ny kolikoly, hanao ny fahamarinana. Hiady amin’ ny fitiavan-tena sy ny fihatsaram-belatsihy ary hanana finiavana hampandroso […]

Taom-panambinana

  Arahaba soa, arahaba tsara mahatratra ny taona vaovao. Amin’ny toy izao, mandeha ho azy ny firariantsoa: hitondra soa sy fanambinana ny taona vaovao, ho taon-jina… Nefa tsy ny taona vaovao no hitondra inona, fa ny tsirairay arakaraka izay ataony sy vitany no mitondra soa sy fanambinana amin’ny taona vakivakiana. […]

Fanendrena Praiminisitra : miandry ny anarana telo hisafidianany ny filoha

Iza no ho Praiminisitra ary rahoviana ny fanendrena azy? Miandry ny anarana telo avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena hisafidianany ny filoha. “Ankehitriny, miandry ny fanolorana ireo anarana telo izay hotendrena ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny […]

TSELATRA

Maty nilatsaham-baratra ny lehilahy iray 32 taona tao Arivonimamo, ny sabotsy 31 desambra teo. Nitondra bisikileta ity lehilahy ity no kilan’ny varatra tampoka. Tsy nisy taratasy namantarana azy intsony teny aminy. Naterin’ny fokonolona tao amin’ny hopitaliben’ Arivo­nimamo ny nofo mangatsiakany. Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 14 taona […]

Ady tany ao Anosy Avaratra: tale sy mpanao politika voasambotra

Olona roa atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria eny Fiadanana, taorian’ny ady tany niseho teny Isahafa, Anosy Avaratra, ny sabotsy 30 desambra teo. Tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany ny iray. Voa­saringotra miaraka aminy ny tomponandraikitra ao anatin’ ny antoko politika TGV. Na­nao fihetsiketsehana ny fokonolona tao Isahafa momba ny […]