Tsy miandriandry. Hamoaka ireo anarana telo izay ho praiminisitra ny vovonana IRD, anio. Avy amin’io lisitra io no hisafidianan’ny filohan’ny Repoblika. «Izahay no maro anisa. Tsy maintsy miainga avy aty aminay ny anarana hatolotra ho praiminisitra, ary ny filohan’ny Repoblika no tompon’ny teny farany. Tsy misy depiote IRD na iray […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Mpitondra moto iray naratra mafy teny amin’ny digue Andohatapenaka, afakomaly. Fiara iray nisongona taxi-be no nifandona tampoka tamin’io mpitondra moto io. Niparitaka ilay moto ary naratra ny mpitondra azy. Tsy nisy aina nafoy. Vehivavy gasy iray tompona orinasa misehatra amina fizahantany malaza eto an-toerana nopoizinin’ny namany, ny faran’ny herinandro teo. […]
Herisetra ara-nofo: roa lahy nanolan-jaza naiditra am-ponja
Voasambotry ny polisy ny lehilahy nanolan-jaza 12 taona tao Tsaramandroso Mandrosoa, kaominin’i Soamaha-manina, distrikan’i Miarinarivo, afakomaly. Zanaky ny zaodahiny ihany no nararaotiny nanaovana ny filan-dratsiny. Nikarakara sakafo irery tao amin’ny trano fonenany ilay lasibatra, ny 28 desambra 2023 teo. Niditra antsokosoko tao an-trano ilay rangahy tsy valahara. Notereny hanao filàna […]
Akon’ny fety : olona 37 nosamborin’ny polisy
Polisy 1 985 no nisahana ny fitandroana ny filaminana manerana an’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2023 sy ny taom-baovao 2024. Namoaka tatitra momba ny antontan’isa teo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana, tao anatin’izay roa andro nankalazana ny fety izay, ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Efatra ireo trangana vaky […]