Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy etsy Ampefiloha. Hifan­dona etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy indray ny tropy Rafarahasimanga Georgine avy any Ambohiman­droso sy ny tropy Ramaroson avy any Ampahimanga, rahampitso alahady. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifandonana ary hitohy ny hariva. Toy ny mahazatra, tsy misy vidim-pidirana izany, fa rakitra ho an’ireo […]

«Tsiaro sy tan-tsoroka » : 25 taona ny tarika Tsi-Ahy

Hira fahiny… Tafapaka hatraty amin’ny taona 1950. Anisan’ny mampiavaka ny tarika Tsi-Ahy ny famerenana azy ireny. Feno 25 taona ny nanatontosan-dry zareo izany. tsy ho lalovam-potsiny ity vanim-potoana lehibe ity fa homarihina mandritra ny taona 2024. Hetsika maro no hotanterahina. Hosantarina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny IKM Antsahavola izany […]

Seho « Cirque »: hampiala voly ny mponin’Antananarivo ny Aléa Circus

Seho anisan’ny mahavariana sy mahasarika olona maro ny « Cirque », raha any ivelany. Mbola vitsy no miangaly azy, indrindra ny matihanina, raha ny eto Madagasikara. Maro anefa ny manantalenta sy mahafehy izany. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fanombohan’ny hetsika iarahana amin’ny Aléa Circus, fikambanana misehatra amin’ ny fanaovana “Cirque”. […]

Homamiadan’ny nono: areti-mandoza atrehin’ny vehivavy maro ankehitriny

Mirongatra ma­neran-tany, indrindra amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Madagasi­kara ny aretina homamiadana. Toy ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary ny “ovaire”. Mahatratra 15 tapitrisa ny olona voan’ny ho­mamiadana maneran-tany. Hita amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Afrika avokoa ny 70% amin’ireo. Ankoatra izay, 12,5% amin’ ny olona maty vokatry […]