Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanaiky ny voka-pifidianana hivoaka eo ny rehetra, ny mpanao politika, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Fanjakana demokratika isika. Koa miantso antsika hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana. Tsy hankato ny voka-pifidianana noho ny fandikan-dalàna ireo kandidà 10. Nihaona tamin’ny Pan-FFKM, nikato-trano teny Tsimbazaza izy ireo, omaly. “Tsy […]

Tsy mila kolikoly ?

  Hivoaka anio amin’ny misandratra andro ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Efa samy sasa-miandry izany avokoa na ny mankasitraka na ny tsy mankasitraka ny fifidianana. Ny mpomba ireo kandidà telo, nandray anjara efa samy somebiseby, hijery izay taham-bato azon’ny olona notohanany. Ny […]

Voka-pifidianana eo anivon’ny Ceni: mirona any amin’ny «1er tour dia vita»

Hambaran’ny Ceni anio, eny Alarobia, ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery ny kandidà laharana fahatelo. Ho “1er tour dia vita”! Hanambara amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena vonjimaika ny Ceni, anio maraina. Tsy hisy fiovana firy antontan’isa nivoaka omaly hariva ny ho fironana hivoaka. Mitarika amin’ny salanisa […]

Fanafihana sy halatra moto ao Toamasina: roa lahy voaheloka am-ponja dimy taona

Nomelohin’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toa­masina dimy taona an-tranomaizina sy dimy taona tsy mahazo mandia faritra ireo roa lahy voampanga ho mpanao fanafihana sy halatra moto ao Toamasina, nandritra ny fotoam-pitsarana afakomaly. Sesilany ny fanafihana mitam-piadiana sy ny halatra moto tao Toamasina ny fiandohan’ny taona 2023. Jiolahy roa voasambotra, araka ny voalazan’ny antontan-tarata­sin’ady […]

TSELATRA

Tovolahy iray nikasa hamono tena teny amin’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Nitsoraka tao anaty rano izy, saingy voavonjin’ireo mpaka fasika sy mpanasa lamba ka tsy tanteraka indray ny fikasany. Olana teo aminy sy ny vadiny no voalaza fa nahatonga izao fikasan-dratsiny izao. Nahatrarana fonosana rongony mitotaly 390 tao amin’ny tokantranon’ny ramatoa […]