Auteur/autrice : Adnews

Biraon’ny ankizy tsy ampy taona any Frantsa : “Maro ny ankizy malagasy voakasiky ny votoaty mamoafady”

Nandefa antso maika ho an’ny firenena frantsay ny ECPAT France hanohana ny lalàna eoropeanina manohitra ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eny amin’ny interinety. Mikendry ny hampandraisana andraikitra ireo mpisehatra amin’ny interinety hanesoran’izy ireo haingana ny sary, feo na horonan-tsary mamoafady mahakasika ankizy ka hitoroka izany ny lalàna. Nampitan­drina ny biraon’ny ankizy […]

TARATRY ny KANTO

“Velakevitra momba ny haisoratra”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro izy ity, ao amin’ny Efitano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Iarahana amin’ireo andrarezina roalahy: Ratrema William sy Ranöe. Iry voalohany hamakafaka ny “Hasin’ny teny malagasy”, raha toa ka hamelabalatra ny “fomba hiainana ny teny malagasy” kosa ny faharoa. Seho […]

Fomba amam-panao – Mila mitandrina: mihamaro ny mitonona ho «mahay zavatra»

Tsy tokony ho zava-baovao amin’ny Malagasy ny hoe «mahay zavatra». Saingy, simba tsikelikely izany noho ny antony maro. Satria, ao anatin’ny vanim-potoana fiverenana any amin’ny fototra, izao tontolo izao. Ho an’i Madagasikara manokana, mipoitra etsy sy eroa ireo milaza fa «mahay zavatra». Mahafantatra ny hoavy. Mahay mampitombo vola aman-karena. Mahay […]

“Dobok’amponga” : sehon’ireo mpianatry ny Amponga MDS

Fampianarana mozika mahomby? Ny fahaizan’ny mpianatra ihany no afaka manamafy izany. Efa nanome porofo kosa ireo mpianatra ao amin’ny Amponga-Music & Drum School, raha tsy hiteny afa-tsy ny fandraisana anjaran’izy ireo tamin’ ny “Ankizy Mozika Festival” farany teo fotsiny. Ho fanamafisana izany, mbola hisy ny seho “Dobok’Amponga”, izay hotontosaina ny […]

Hakanto Contemporary : haikanto maroloko no handravaka ny fampirantiana «Nouvelle Terre»

Ankoatra ireo efa hita eny an-toerana ankehitriny, mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ity ivontoerana ity amin’ny mpahay kanto maro samihafa, ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny haikanto ary ho tosika ho an’ny mpahay kanto. Tanterahina manomboka ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Con­tem­porary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana «Nouvelle terre», karakarain’ity ivontoerana ity. […]