Zazalahy voairaka hitoto vary, hita faty natelin’ny rano tao Manampotsy, faritra Atsinanana, afakomaly. Niandry filaharana teo amin’ny fitotoam-bary izy ka nanararaotra nilalao rano. Tsy hita popoka nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro. Navoakan’ny rano afakomaly hariva ihany io tovolahy io saingy efa tsy nisy aina intsony. Tovolahy hamonjy fianarana, maty voahosin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fipoahana herinaratra : mpianaka niara-maty kilan’ny afo
Niezaka hanavotra ilay menaky ny ainy, maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany tao Tanamakoa 12/14, Toamasina, afakomaly alina. Nirefotra tampoka ny kaonteran-jiro, araka ny nambaran’ny fokonolona. Efa tafavoaka ny trano ilay vehivavy renin’io zazalahy kely io. Niredareda tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Nikiry niverina hamonjy ilay zanany anefa io renim-pianakaviana […]
Ambohidratrimo : mpivarotra rongony naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja eny Antanimora ny vehivavy sy lehilahy iray voasambotra tetsy Ambohidratrimo. Malaza ratsy ho mpanaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy roa ireo. Nanao fidinana ifotony ny zandarimaria miasa ao an-toerana ary natao ny fisavana ny 10 desambra teo. Tratra tao amin’ireto mpivarotra ireto ny fonosana rongony mitotaly […]
Tsy fandriam-pahalemana : dahalo enina maty, iray azo sambo-belona
Mahery vaika ny fifandonana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo any amin’ireo faritra voasokajy ho mena manerana ny Nosy. Dahalo enin-dahy maty voatifitra ny alin’ny alatsinainy 11 desambra teo. Manoloana ny halatra omby miseho lany, dahalo enina raindahiny lavon’ny mpitandro filaminana, ny alin’ny 11 desambra teo. Distrikan’i Mandoto, Antsalova sy hatrany […]