Auteur/autrice : Adnews

Akombony ny vava !

  Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy. Na izany aza, tsy takona […]

Foiben’ny Ceni Alarobia : nanara-maso ny fikirakirana voka-pifidianana ny Sadc

Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo. Nitondra fanazavana ta­min’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Nitondra fiara tsy mataho-dalana io ramatoa io kinanjo nifatratra tampoka tany an-tanimbary ny fiara nentiny. Tsy nisy aina nafoy. Maty an-drano tany amin’ny fokontany Kaolini­na, Farafangana, ny tovolahy iray 23 taona, ny 18 novam­bra lasa teo. Nilomano niaraka […]

Trafikana sokatra: lehilahy iray voasambotra

Lehilahy mpanao trafikana sokatra saron’ny zandarimaria tao Ejeda, faritra Atsimo Andrefana, ny 16 novambra teo. Nitondra karazan-tsokatra «sokake» miisa 16 io lehilahy io. Manana mpiasa telo lahy hafa izy saingy nitsoaka nandositra ireo namany ireo rehefa tonga nanao ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana. Nogiazana ary natolotra ny sampan-draharaha manokana […]