Auteur/autrice : Adnews

ZDS Ikopa: Kaomandy vaovao ny Jly Dera Didier

Notontosaina ny 8 desambra 2023, tao amin’ny Bataillon Infanterie Antananarivo eny Fiadanana, ny lanonana ara-miaramila fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (ZDS Ikopa). Ny Jly Dera Zafindravola­mananarivelo Didier no voatendry ho kaomandy vaovao ny ZDS Ikopa. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome […]

Ady amin’ny kolikoly : mananika ny 190 ireo firenena miara-misalahy

Miara-misalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao ny firenena 190. Tafiditra anatin’izany i Madagasikara. Misandrahaka manerana ny firenena maro ny fisian’io tranga kolikoly io. Voakasika izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Ny fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tsolotra eny anivon’ny sampandraharaha maro samihafa. Tsy mijanona amin’ny firenena […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka ny couverture santé universelle ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Ste Marie, faritra Analanjirofo. Rafitra napetraka hanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fahasalamana napetraky ny fanjakana izy io. Maro ireo nisoratra anarana niditra ho mpikambana ao anatin’ny rafi-piantohana fahasalamana, ahafahana misitraka fitsaboana maimaimpoana. Nankalaza ny faha-50 taonany ny Tranon’ny Fitiavana, […]

Albinos Madagascar : tena ilaina ny fahaizana manangana tetikasa

Tafiditra ao anatin’ny fi­kambanana 13, nisitraka fiofanana notanterahin’ny Initiative pour les petites associations locales (Ipal) ny fikambanana Albinos Madagascar. Niofana momba ny fananganana tetikasa sy fitantanana fikambanana ary ny mahakasika ny hetra izy ireo. “Ilainay fikambanan’ny olona varira ny fampiofanana toy izao, ahafahanay mampandroso ny mpikambana sy iseharanay amina zavatra ambonimbony […]

Tetikasa Produir : atao eny ifotony ny ady amin’ny herisetra

Manao ny tolona amin’ny ady amin’ny herisetra ihany koa ny tetikasa “Produir”. Mandritra ny asa ataony eny ifotony no manentana ny mponina izy ireo. Teny amin’ny fokontany Ambatomainty, kaominina Iari­narivo, izay samy nametrahan’izy ireo foto-drafitrasa no nanatantera­han’izy ireo izany, ny herinandro teo. Nanatanteraka hetsika fanentanana ny A2DM, ny Asa Taratra […]