Efa mivonona ny hanolotra anarana praiminisitra ho lehiben’ny governemanta ny parlemantera IRD. Nambaran’ny filohan’izy ireo, ny depiote Velontsara Paul Bert, fa mbola hisy ny dinika hataon’ ny maro anisa momba izany. Tahaka izany koa ny hanolorana minisitra. Mbola hitohy anio, raha tsy misy ny fiovana, ny fanadihadian’ny zandary, sampana misahana […]
Auteur/autrice : Adnews
Otrikafo : “Tsy tokony hanavahana olona ny asan’ ny Arai”
“Mahafinaritra kokoa ny ezaka sy ny asa, raha tsy anavahana olona izay atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny asan’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), amin’ny fanagaziana fananana azo amin’ny kolikoly na […]
Alao hery àry!
Foto-dresaka amin’izao ny amin’ny sosialim-bahoaka. Nahoana? Eo ny fampanantenan’ny filoha hijery akaiky amin’izay ny fiainam-bahoaka. Mba tsy hisy hadino? Hiaraha-mahita eo… Mahabe resaka amin’izao ny hoe: hatraiza ny fisitrahan’ny vahoaka ifotony ny fampandrosoana? Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Tsy mampindrana fahefana azy fotsiny ny vahoaka, fa ny […]
Minisiteran’ny Serasera : “Tokony hanaja ny etika hatrany ny mpanao gazety”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina MSK, tamin’ny zoma. Natao izany, manoloana ireo tranga fiahiahiana ny mpanao gazety ho miantso fiokonan’ny miaramila. Notsiahivin’ny minisitera tamin’izany fa iantohan’ny Lalàmpanorenana tokoa ny zo ho amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo ho amin’ny fanomezana vaovao. “Voafetra ihany anefa […]
Distrikan’i Morafenobe : dahalo saika hamaky valan’omby voasambotra
Vala nisy omby amidy 500 nokasain’ny dahalo roa lahy horobaina tao Androvakely, distrikan’i Morafenobe, afakomaly. Nitondra ody ratsy sy moara maromaro ireo dahalo ireo. Niandry ho maizina, nitsaitsaika hamoaka ireo omby an-jatony tao anaty vala izy roa lahy ireo tokony ho tamin’ny 8 ora. Tsikaritry ny fokonolona ireo olon-dratsy ka […]