Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Teratany vahiny iray mpizahatany norobaina vehivavy roa tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Namana akaiky io vazaha io ihany ny iray tamin’ireo vehivavy nandroba azy. Lasa ny vola 400 euros sy finday roa, niampy vola malagasy 400 000 Ar. Nosamborina ireo roa vavy nanao ny halatra ka notanana hatao famotorana. […]

Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip i Mosa sy i Sambo

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano ao Toamasina, omaly. Ankoatra ireo azo sambo-belona, jiolahy enina hafa karohina. Nihorohoro ny mponina tao amin’ny fokontany Tanamborozano Parise­la 22/31, carreau faha-7 manamorona ny lakandranon’i Pan­galana, omaly vao maraina. Tokantrano maromaro no na­hazo fandrahonana nataona andian-jiolahy. Tonga […]

CAF Scolaire 2023: Ao amin’ny vondrona B i Madagasikara

Hotanterahina any Harare Zimbabwe, manomboka ny 14 – 16 desambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina “Afri­can School Football Cham­pionship”, taranja baolina kitra. Ao anatin’ny vondrona B no misy an’i Madaga­sikara, araka ny antsapaka natao omaly. Hiady ho lohany amin’izy ireo ao i Afrika Atsi­mo, Angola, Namibia, Zambia. Marihina fa natokana ho an’ny mpianatra […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo »: tafita amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sangany amin’ny OPL

Notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka ny sabotsy sy ny omaly alahady, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ireo ekipa sangany amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus FC, ny Disciples FC, ny Ajesaia sy […]

DAKA AN-JORONY: Tsy marina velively

Nanambara Rakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa diso ny filazana an-gazety fa hisy fihaonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique, eo amin’ny lalao fanomanana amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny « Mondial 2026”. Voalaza tamin’izany fa hotanterahina ny volana janoary, ireo lalao roa ireo. Nanamarika i Me Rôrô fa nisy […]