“Vinavinaina hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao ny train urbain mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny alakamisy teo. Nahemotra, hoy izy, ny fampandehanana ity fitaterana an-dalamby ity, noho ny fanamboarana samihafa, toy ny fanatsarana ny lalamby sy ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
vita ny tetezana mangalaenatra : misokatra ny lalana Ifanadiana-Ikongo
Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny hisokafan’ny fifamoivoizana mandavan-taona, aorian’ny fahavitan’ny lalana. Vita ny tetezana any Mangalaenatra ary manomboka ny fanarenana ny lalana. Hivaha ny olana amin’ny fitokana-monina any amin’ny distrika Ikongo, noho ny haratsian’ny lalam-pirenena RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tsiahivina fa nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andrianatrehina […]
Fiaraha-miasa ara-tafika : nandray anjara tamin’ny « EDEX 2023 » ny MDN
Notanterahina tany Egypta, ny herinandro teo, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « EDEX », « Egypt Defence Expo 2023 », Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Arabo any Egypta sady filoha faratampon’ny Tafika egypsiana, Abdel Fata El Sisi. Ny Tafika egypsiana no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany hetsika anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo fampirantiana ara-piarovana aty amin’ny tapany avaratr’i Afrika. […]
Rajoelina Andry : mitohy ny fijerena ny mahararin’ny vahoaka
Nidina ifotona nijery sy namantatra ny toe-javamisy iainan’ny vahoaka sy nitafa tamin’izy ireo, ny filoha voafidy Rajoelina Andry. Notsindriny mafy, tamin’izany, fa vonona ny fitondram-panjakana hotarihiny hamaha ireo olan’ny vahoaka. Nitohy omaly, teny Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe Zaivola ary Andranomena, ny fidinana ifotony, nijerena ny marary sy ny manahirana ny mponina ary nizarana ny […]
Fitantanana ny loza : tanora 108 avy amin’ny faritra 4 nomena fiofanana
Naharitra 3 herinandro ny atrikasa fametrahana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny fampiofanana azy ireo. Natao tany amin’ireo faritra efatra notsongaina manokana noho izy ireo voasokajy ho faritra atahorana ny fiofanana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Anosy, Boeny, Analanjirofo ary Atsinanana. Tanora […]