Auteur/autrice : Adnews

Vondron’ny tanora (VTI): namolavola didim-panjakana mifanaraka amin’ny hetahetany

Nanatanteraka atrikasa na­sionaly nandritra ny roa andro, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny Vondron’ny tanora ho an’ny fanavaozana ifotony (VTI). Nandritra izany indrindra no niaraka nikaondoha ireo tanora 230, avy amin’ny distrika 30 manerana ny Nosy, notarihin’ny minisitry ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Fa­mo­lavolana didim-panjakana ho fikendrena […]

Dia amin’ny fahavaratra: mila ampitomboina ny fahamailoana

Nanome toromarika manokana ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ho an’ireo mpandeha taksiborosy sy ireo mpamily amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Ho an’ny mpandeha, mila hamafisina ny fonon’ireo entana izay tsy maintsy hiakatra ambony tafon’ny fiara na ho an’ireo miditra “soute” mba tsy ho lena na simban’ny orana. Mitondra elo, […]

Noely-Fitaovana fandravahana : manomboka amin’ny 6 000 Ar ka hatramin’ny 60 000 Ar ny vidiny

Fahazarana ho an’ny isan-tokantrano ny manangana hazonoely raha vao miandoha ny volana desambra. Efa mandrakotra ny tsena ny akora fandravahana amin’ny vidiny sy ny kalitao mampiavaka azy. Vao niantomboka ny volana desambra, namoaka ny entana fandravahana ny hazonoely samihafa ny mpivarotra eto an-drenivohitra, indrindra amin’ireo tsena be mpanjifa : Tsaralalàna, Anala­kely, […]

INDRAY MIJERY

Manohana manokana ny tovovavy sy ny vehivavy ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Nanomboka ny taona 2015, nahatratra 258 156 ny vehivavy nahazo tohana ara-bola sy voaofana. Afaka nanohy fianarana koa ny ankizivavy miisa 162 522, 6 hatramin’ny 14 taona. Natomboka teny Ambatoroka ny fivoriana ho fametrahana ny rafitra Comité […]

Fikarohana ara-tsiansa: mpikaroka fito nampiakarina ho tale

Mpikaroka fito no nampiakarina amin’ny laharana maha talem-pikarohana, 10 kosa amin’ny laharana talem-pikarohana miara-miasa, araka ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivandry izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Niton­dra ny teny fiarahabana ho azy ireo avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Profesora […]