Tsy vitsy amin’izao fotoana izao ny olona mitaraina fa tratran’ny « spasmofilia » ka sahirana miatrika ny andavanandrom-piainany amin’ny asa sy ny fivelomana ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Mitondra fanazavana momba ity toe-tena ity ny dokotera manam-pahazaina manokana momba ny fahasalaman’ny saina (psychiatre), Razafindralambo Kiady Rivo, misehatra eny amin’ ny hopitalim-panjakana. Gazety […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Lanonambe eny amin’ny Kianjan’ny hiragasy. Taorian’ny fanambarana ofisialy ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy, hisy ny fety lehibe izay hotontosaina eny Ampefiloha, rahampitso alahady. Arahina ady hiragasy goavana hatrany izany, izay hifandonan-dry Marie Louise avy any Anivorano sy ry Fredikely avy eny Imerintsiatosika. “Tsy misy mahaFOHY aina…”. Fampisehoana fanehoana […]
« Festival Sar’nao » : hitohy eny amin’ny CGM ny hetsika
Tanterahina ny 11 hatramin’ny 16 desambra 2023, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny fampirantiana «Street Photography», karakarain’ny Photo Club CGM. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny «Festival Sar’nao», andiany faha 14, ity hetsika ity. Mpahay kanto, mpaka sary pika maro no handranty ny sariny amin’io fotoana io. Samy haneho […]
Hira evanjelika : manohy ny diany ny T.M.I
Tanora Masina Itaosy (T.M.I), nahatontosa seho maro nandritra ity taona 2023 ity. Tao ny fampisehoana tamina sehatra lehibe (Antananarivo, Antsirabe…). Tsy vitsy koa ireo notanterahina tany anivon’ny fiangonana. Hitohy rahampitso 10 desambra, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny FLM Ambatonjara By-Pass izany. Fampisehoana hira evenjelika sy fitoriana an-kira […]
Maherin’ny 65 000 ireo mpitsidika : faranana amin’ny seho ara-javakanto ny fandalovan’ny Logos Hope
Tapitra amin’ity faran’ny herinandro ity ny fivahinianan’ilay sambo Logos Hope ao Toamasina. Seho ara-javakanto anatiny sy ivelan’ity sambo miendrika famakiam-boky goavana ity no hamaranana izany. 65 000 mahery omaly zoma. Azo antoka fa mbola hitombo isa ireo mpitsidika ny sambo Logos Hope, anio sy rahampitso. Herinandro maromaro izay no nisafidy […]