Voatendry ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Efa minisitry ny fiarovana, fony fitondrana Ratsiraka ary minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’ny fitondrana Ravalomanana izy. Niarahaba ny fahavitan’ny fifidianana ny Japoney, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Maki Kobayashi. Nizotra tamim-pilaminana izany […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimiera : Depiote 74 amin’ireo 132 no nifidy an-dRaholdina Naivo
Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antananarivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidimanana Narson. Nahazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany […]
Tsy misy voaozona
Mijaly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Mitotongana ny vola Malagasy, ny Ariary, mitaha amin’ny vola vahiny. Mitakalo 5000 Ariary latsaka kely ny euro iray. Mazava be ny dikan’izany: tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana ! Mizaka ny vokany ny sarambabem-bahoaka sy ny mpikarama isam-bolana izay mikarama vary masaka. […]
Andry Rajoelina : «Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny vahoaka madinika»
Tsy niandry ela, niasa sy nitsidika ny vahoaka sahady ny filoha Andry Rajoelina, andro vitsy taorian’ny namoahana ny voka-pifidianana. “Tsy maintsy hiasa ho an’ny vahoaka” hoy izy, tanatin’izany fidinana ifotony nataony izany. Tontosa omaly, teny amin’ny kianja ANS Ampefiloha, ny fizarana ny “Hazavana ho anao”, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
Bazary Vorondolo – Toamasina : tratra ireo jiolahy namaky tranona pasitera
Jiolahy enina indray saron’ ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana tranona pasitera iray ao Andranomadio Toamasina, parisela 11/43, ny zoma 1 desambra 2023 teo ry zalahy ireto. Voaroba tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-tranon’ity mpanompon’ Andriamanitra ity. Efa tafaverina avokoa […]