Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Jiu-Jiutsu, afaka fotoana fohy, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ity taranja ity. Ho fanomanana izany fifaninanana goavana izany, mpikatroka 22, avy amin’ny klioba 7 no mivondrona, hitiliana izay hisolo tena an’i Madagasikara. Ny Federasiona malagasin’ny JJB no mikarakara izany fampivondronana izany, izay manao […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Misaona ny tontolon’ny basikety eto Madagasikara. Nodimandry omaly, Razaiarisoa Lalatiana (Lala Mijomba). Mpilalao tao anatin’ny ekipa nasionaly fahiny izy, mpikambana teo anivon’ny ligin’i Boeny, filohan’ny kaomisiona Basikety, vehivavy, ary mpilalao eo amin’ny sokajy Vétérans. Asief. Hanatanteraka fikaonandoha, any Antsirabe, B ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des […]
Basikety-U20, lehilahy : tompondaka ny ASS Menabe
Fahombiazana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy, notontosaina tany Mahajanga. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny ASS Menabe rehefa tafavoaka ho mpandresy nandritra ny lalao famaranana. Raha hiverenena izay lalao famaranana izay, isa 59 no ho 56 no nandresen’ny ASS ny ekipan’ny AKBB Analamanga. Norombahin’ny mpilalaon’ny […]
« Run » – Dingana fahatelo : voalohany i Brayan teo amin’ny sokajy zandriny
Zandriny indrindra tamin’ireo mpifaninana saingy nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy nisy azy i Brayan Ratsivahiny, nandritra ny dingana fahatelo, fifaninanam-pirenena “Run”. Tafiditra ao anatin’ireo hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara, araka izany, izy. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho […]
Raharaham-pirenena : miantso fifanatonan’ireo kandidà ny SACUA
Tandindonin-doza ny sehatry ny asa, manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Noho ny tsy fifankahazoan-kevitra sy disadisa eo amin’ny samy mpanao politika, mpifanandrina, hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izany, raha ny fanambaran’ny Syndicat Autonome eo anivon’ny Kaominina Antanananivo Renivohitra (SACUA), tetsy Antanimena, omaly. « Miantso fifampiresahana eo amin’ireo mpilatsa-kofidina, hahatongavana amin’ny […]