Auteur/autrice : Adnews

Kitra vehivavy : miray vondrona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Anisan’ireo taranja tsy nandraisana anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny baolina kitra, vehivavy. Tsy mijanona anefa ny fifaninanana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, handray anjara amin’ny Cosafa izy ireo. Taorian’ny antsapaka natao ny alakamisy 14 septambra lasa teo, ao anatin’ny vondrona A i Mada­gasikara amin’ny fifaninanana « Cosafa Women’s […]

« Slam nationale 14 » : vahinin’ny hetsika i Nicolas Séguy

Hotanterahina ny 29 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Mada­gas­car (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nicolas Séguy, teratany Frantsay mpitendry Piano. « Concert Piano Voix », io no lohatenin’ity seho goavana iarahana amin’ity mpitendry zavamaneno vahiny ity. Ny Madagaslam no mikarakara ny hetsika ary tafiditra ao anatin’ny « Slam nationale 14 ». […]

Taratry ny kanto

Raha te hirotsaka amin’ny tontolon’ny mozika any ivelany. « Tsara raha mandalina sy mianatra azy io mihitsy », hoy i Niu Raza, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara. Tsara ny manana talenta, fa miampy kokoa ny fisokafan’ny lalana raha mandalina, raha ny fanazavany hatrany. « Ça Claque ». Tanterahina anio tolak’andro, eny amin’ny AFT Andavamamba, […]

CGM/GZ: hiaka-tsehatra ry Sarandra Beloba

Mifanao fotoana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/GZ) ny mpitia zavakanto sy ny tarika Sarandra Beloba. Ireo hira na gadona avy any amin’iny Faritra Anôsy iny no hoentin’izy ireo eny an-tsehatra. Misongadina ao anatin’izany ny mangaliba sy ny katreaky. Anisan’ny lalan-kizoran’ny Sarandra Beloba ny […]

Kilalaon-tsaina malagasy : mirakitra zavatra maro ny fanorona

Mitaiza ny saina sy afaka atao paikady entina miaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanorona. Mihatakon’ireo kilalao vahiny sy taty aoriana anefa izy ankehitriny. Tsy mikely soroka fa efa ao anatin’ny ezaka fameloma-maso izany ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsa­havola, manomboka ny 23 septambra 2023, ny fampianarana fanorona sy […]