Auteur/autrice : Adnews

Sadasada manan-tsoratra

  Mafana ny toe-draharaha eto Madagasikara ! Raha noheverina ho famahana olana ny fifidianana dia mivadika ho fototr’olana izany ankehitriny. Asa inona no ambaran’ny mpitandro filaminana, anio maraina. Hisy ny fanambarana lehibe hataon’izy ireo. Tsy mbola misy mipika kosa ny ho vontoatiny. Ny lehiben’ny governemanta sady filoham-panjakana miara-mitantana no hitarika […]

Mihena ny renirano: hampiasaina ny gazoala hamokarana solika

Voatery miverina ny delestazy satria tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny tohodrano. Anisan’ny vahaolana ataon’ny fanjakana ny fampitomboana ny famokarana herinaratra avy amin’ny solika, gazoala. Miditra amin’ny vanim-potoana maintany isika. Nohazavain’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanam­pisoa Solo, ny talata 12 septambra teo, fa mihena ny haavon’ny renirano mamatsy […]

Tselatra

Lehilahy iray niampita tampoka, maty voafaokan’ny moto teny Marais Masay, omaly maraina. Nandeha mafy ilay  mpitondra moto. Nipoitra tampoka tamin’ny toerana tsy fiampitana anefa ilay lehilahy ka avy hatrany dia nifatraran’ny moto. Tapa-tanana ilay vazaha nandona ka nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Olona telo voasambotra atao fanadihadiana momban’ny vono olona […]

Vaky fasana : Razana 15 nosavoritahan’ny jiolahy

Fasana iray novakian’ny olon-dratsy tao Miadaman­jaka, fokontany Tsaravondro­na, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 11 septambra teo. Mpandalo iray no nahatsikaritra fasana iray efa nisokatra, ny talata hariva. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nijery ifotony ny tranga koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompom-pasana. Voamarina, nandritra izany, fa tsy latsaky ny […]

Antsarakofafa : mpanendaka matin’ ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antsarakofafa Toa­masina, ny sabotsy teo. Nafenin’olona tanaty lobolobo amoron-tatatra ny razana ka simba tanteraka. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, mpangalatra sady mpanendaka ao Ankirihiry akaikin’ny bazary may, ny sabotsy teo, ity niharam-boina ity. Tratran’ny fokonolona izy tamin’ny 8ora alina. Raikitra ny daroka sy […]