Mpanao taxi-moto ilay lehilahy hita faty teny Mahabo Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nosimbain’ireo mpamono olona ny tarehin’io lehilahy io ary nofonosany tao anaty harona plastika. Nariana tao anaty tatatra misy honahona ny vatana mangatsiaka ka ny fokonolona no nahatsikaritra azy. Lasan’ny jiolahy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ampefiloha: trano 31 kilan’ny afo, may ny biby fiompy
Nivadika lavenona ny trano 30 mahery teny Ambodirano Ampefiloha, omaly tolakandro. “May avokoa ny trano hazo 31 ary kila ny kisoa efatra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fokontany Ambodirano Ampefiloha, Razanadramiadana Nirina. Nahandro sakafon-kisoa toy ny fanaony ny iray tamin’ny fokonolona eny an-toerana tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nandeha naka […]
Reny tsy te hitaiza : zaza vao teraka nariana tao anaty lavapiringa
Efa nitomany tao anaty lavapiringa, avotra ihany, ny zaza menavava tao Anosy Avaratra, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitra-po ny zandary ao Sabotsy Namehana fa mahare feon-jazakely mitomany tsy mijanona ao anaty lavapiringa izy ireo. Nidina ifotony teny anivon’ny fokontany voalaza ny mpitandro filaminana niampy ny mpitsabo ao […]
Mpianaka novonoina: vehivavy voatsatok’antsy, zazalahy kely nokendaina
Mampihorinkoditra!Mpianaka norobain’ny jiolahy ny sabotsy alina lasa teo. Notsatohana antsy ny tendan’ ilay vehivavy, nokendaina tamin’ny lamba ny zanany lahy vao telo taona. Vehivavy 30 taona sy ny zanany lahy teo taona sy tapany no hita faty nihosin-dra tao an-tranony ao Avaratsena, kaominina Ambohimandroso Gara, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, ny sabotsy […]