Auteur/autrice : Adnews

Fiatrehana ny fifidianana: hampandany ny kandidà Andry Rajoelina ny Freedom

Nanao fanambarana tetsy Antanimena, omaly niaraka amin’ireo solontena isam-paritra ny antoko Freedom. Nohamafisin’ny filoha nasionaly, i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany ny fanohanany ny kandidà Rajoelina. “Manohana ary vonona hanao fampielezan-kevitra, hampandany ny kandidà, Rajoelina Andry, ny antoko Freedom“, izy. Notsiahiviny fa antoko voalohany nangataka ny hilatsahany hofidina fanindroany indray ny antoko […]

Tetikasa « Produir »: misitraka ny fahadiovan’ny lakandrano C3 ny mponina

Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir.  Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa […]

Nanafika tranona relijiozy… Jiolahy iray naratra tratran’ny fitsaram-bahoaka

Sendra ny nahay azy ! Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao Nandihizana, fokontany sy kaominina ambanivohitr’Ambohimasina, distrikan’i Betafo, afakomaly. Jiolahy telo nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotanin-dry masera rehefa avy nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’ireo jiolahy ka nasainy namoha varavarana. […]

Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »

Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. […]