“Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”, hoy ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena mafanafana amin’izao fotoana izao. Vokatra andrasana amin’ny fifampidinihana ny hanomezana antoka ny rehetra fa madio sy mangarahara ny fifidianana. Etsy andaniny, fanomezana antoka ny rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fantina sy fintina
Mitaky fanazavana amin’ny Foloalindahy ny Jly Tsaranazy Jean Emile. Nambarany fa anisan’ny fepetra noraisin’ny amiraly Ratsiraka ny nandroahana ny tafika frantsay teto. Nahasarotiny azy ny fiandrianam-pirenena. “Tokony haneho hevitra ianareo Foloalindahy, manoloana ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena frantsay“, hoy izy. Nandray fepetra manokana ny prefet de Police Antananarivo sy ny […]
Asa vava sy vava asa
Efa ao anatin’ny fiatrehana sy fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Ady fiady io. Eny, na misy aza ny tsy mitsahatra miady sy mitady hirika tsy hahatanteraka izany, hanemorana azy… Mandeha avokoa ny karazana fanambarana etsy sy eroa. Ny vava no tena miasa? Na ady vava… Misy mihevitra fa izay […]
Tselatra
Takalonaina avotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ampiha, kaominina Tsivory, distrikan’Amboasary Atsimo, ny alahady 3 septambra teo. Nanafika tao amina tokantrano iray ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana. Nodoran’ireto farany ny trano ary nentiny ny renim-pianakaviana iray. Natakalo vola 5 tapitrisa Ar izy vao votsotra. Voasambotry ny zandary ilay raim-pianakaviana […]
Maroantsetra: zaza dimy volana saika kilan’ny afo
Kilan’ny afo ny fitombenan’ny zazalahy 5 volana tao Ankofabe Maroantsetra, afakomaly. Nifamonjen’ny mponina manodidina navotana tao anaty afo izy. “Tsy salama saina ny rain’io zaza io”, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Maroantsetra. Mbola nisotrosotro toaka anefa ilay raim-pianakaviana ny hariva. Nanampy azy koa ny vadiny. “Tsy fantatra anefa […]