Nahazo vato 8 tamin’ny ireo ligy14 (Analamanga, Boeny, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Betsiboka, Itasy, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Androy, Fitovinany) tonga nifidy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, Raharimalala Léa. Araka izany, izy indray no hitantana ny Federasiona malagasin’ny taranja Volley-ball (FMVB). Nahazo vato […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalaon’ny Nosy 2023: nomena 5 tapitrisa Ar ireo nahazo medaly volamena
Taorian’ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, nanolotra vola ho an’ny atleta ny filoham-pirenena. Araka ny efa nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy Mahamasina, ny volana aogositra lasa teo, nomeny filoha 5 tapitrisa Ar avy ireo Malagasy atleta nahazo medaly volamena. Notanterahina […]
Kianjan’Alarobia: hotantanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma
Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha, nomena ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny fitantananana ny kianjan’Alarobia. Nasiana fanamboarana avokoa ny efitrano fidiovana, ny fisoloana akanjo “vestiaire”, ny trano fandraisam-bahiny ” Salle VIP”. Tsiahivina fa nahazo medaly 40 ny taranja atletisma, nandritra ny lalaon’ny Nosy izay […]
Sombim-baovao
Ho ezahina hampidirina ao anatin’ny sata mifehy ny fanatanjahantena eto an-toerana ny resaka matihanina. Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha. Natao hifantohan’izy ireo amin’ny resaka fanatanjahantena sy ho fampivoarana izany no anton’ity vina ity. Hotanterahina any Mahajanga sy Antsirabe, ny 15-24 septambra ho avy […]
Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy
Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra. Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao […]