Auteur/autrice : Adnews

Ceni: “Mazava ny voalazan’ny lalàna “

“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]

Fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny: miantso ny Foloalindahy haneho hevitra ny MMM

Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny  ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, […]

Antoko HVM: “Ilaina ny fifampiresahana”

“Anaovanay antso avo na ho an’ny fanjakana, na antoko, na kandidà: tsy lany andro ny fifampiresahana momba ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo; eny, na efa nanambara ny firotsahan-kofidina aza ny filoha mpanorina ny antoko. Betsaka ny ohatra velona teto amin’ny firenena na ireo […]

Fanabeazana: manomboka ny taom-pianarana 2023-2024

Nanomboka niditra an-tsekoly omaly ireo mpianatra, hiatrika ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Miverina amin’ny fifantohana sy fahamatorana amin’izay manomboka eo. Misy amin’ireo sekoly sasany toy ny sekolim-pinoana mbola amin’ny herinandro ambony vao tena miverina an-dakilasy ny mpianatra. Fandraisana ireo mpianatra no tena hatao amin’ity herinandro ity, fanakaikezana sy fifankafantaran’ny mpampianatra sy […]

Fampisakafoana an-tsekoly: mandrisika ny mpianatra tsy hiala an-daharana

1 200 000 no isan’ny ankizy mahazo tohana sakafao any an-tsekoly. Mampazoto  ny mpianatra  hilofo bebe kokoa izany, andaniny. Mampiroborobo ny varotra anatiny, ankilany.  Hampitomboina 10% isan-taona ny isan’ny mpianatra hisitraka ny sakafo any an-dakilasy, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, omaly, teny Ivandry. 1 200 000 amin’izao fotoana ny mpianatra mahazo […]